Prix du jeune écrivain : misokatra ny fisoratana anarana

Miditra amin’ny andiany faha-39 ny “Prix du Jeune écrivain”. Efa misokatra ny fisoratana anarana ary hi­farana ny 2 febroary 2023. Fifaninanana anolorana amboara ny tanora mpamorona asa soratra, amin’ny teny frantsay. Tanora 16 ha­tramin’ny 26 taona no afaka mandray anjara. Ny mpandresy tamin’ny andiany teo aloha kosa anefa afaka mandray anjara foana na dia tsy ao anatin’io zara-taona io intsony aza.
Fifaninanana misokatra ho an’ny firenena rehetra ny “Prix du jeune écrivain”. Tombony maro no ho azon’ny mpandresy. Asa soratra iray isaky ny mpandray anjara no alefa any amin’
ny mpikarakara. Ny mpitsara no mifantina ny lahatsoratra araka ny fitsipika. Laha­tso­ratra miisa 12 no tsongaina. Samy hisitraka fanohanana ny tompon’ny lahatsoratra voafantina tahaka ny fiofanana iarahana amin’ny mpanonta boky, fampianarana sy fifanakalozana amin’ny mpanoratra malaza. Hisy kosa nefa ny tombony ma­nokana arakaraka ny laharana nisy ny mpanoratra. Ny volana marsa 2024 no anolorana ny loka ho an’ny mpandresy.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: