Mikija ny orana any atsimon’ny Nosy. Sady miakatra ny rano no tapaka ny lalana ka anjatony ny fiara mihitsoka. Tra-doza ny fiarabe mpitatitra olona avy aty Antananarivo hihazo an’i Taolagnaro, omaly, tao Ianabinda.
Tapaka nandritra ny ora maro ny lalana ao Betroka hatramin’ny omaly alina, vokatry ny oram-be nikija afakomaly sy ny haratsian’ny lalana RN 13. Fiara aman-jatony ireo tafajanona tokony hiampita amin’ny lalam-pirenena faha-13, miisa 50 ny fiara tavela eo Betroka, raha ny fanazavana azo avy amin’ny solombavahoaka any an-toerana. Misy fiara mitondra razana sy mpitatitra olona ary entana amin’ireo tafajanona ao ireo. Nisy ihany koa ny fiara lasan’ny rano ka nifamonjen’ny mponina. Efa nitaraina tamin’ny fitondram-panjakana ny mponina fa tsy nisy fanamboarana hatreto. Raha tsiahivina, natolotry ny Filoha Rajoelina Andry ny 8 mey tao Ambovombe, renivohi-paritr’Androy, ireo fitaovana lehibe fanamboaran-dalana. Mba ho fanatanterahana ny fampandrosoana miainga avy eny ifotony, izay vinan’ny fitondram-panjakana mba hahafahana manamboatra lalana 250 km isan-taona. Voalazan’ny Filoham-pirenena tamin’izany fa tsy hadino intsony ny faritra atsimon’ny Nosy. Hatreto anefa, tsy nisy fikitihana ny lalana raha ny zavatra tsapan’ny mponina any an-toerana. Misy tetezana efatra tapaka any an-toerana ka ilàna fanamboarana, hoy izy, fa tsy mbola voakitika hatreto. Antony mahatonga ny fahatapahan-dalana toy izao.
Olona maty
Nahatratra 35 ireo olona maty, vokatry ny hanoanana ao amin’ny kaominina Mahabo nanomboka ny volana oktobra teo. Miisa 13 ireo maty nihinana sakafo tsy azo hanina (oviala), omaly raha ny fanazavana voaray tamin’ny kaomandin’ny zandary any Betroka. Tsy mahita sakafo intsony ny mponina ka lasa mihinana izay sakafo hitany. Vokany, maro ireo maty noho ny poizina azo avy amin’ny karazana sakafo tsy fihinana. Tsy misy vahaolana natolotry ny fitondram-panjakana hatreto mikasika ny olana mahazo ny mponina any an-toerana. Marihina fa anisan’ny faritra matanjaka amin’ny tsy fanjarian-tsakafo iny faritra iny. “Tsy mbola nidina ifotony nijery ny zava-misy ny fanjakana”, hoy ny solombavambahoakan’i Betroka. Maro ny milaza sy mandiso ny zavatra lazain’ity solombavahoaka ity, hoy izy, satria tsy mahita ny zava-misy sy ny tena iainan’ny mponina any an-toerana. Angatahany, noho izany, ny hidinan’ny fitondram-panjakana any amin’iny toerana iny hijery ny zava-misy marina. Aiza ho aiza ny fanamboaran-dalana ataon’ny fanjakana amin’iny faritra iny?