Hotohizana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra, ny fanatsarana ny lalàna samihafa mifehy ny varotra avy amin’ ny minisitera isan-tsokajiny. Ireo no nivoitra nandritra ny fakan-kevitra handrafetana ny paikady nasionaly momba ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra eto Madagasikara. Tanjona, araka izany, ny hampihena ny fotoana sy ny vola lany amin’ny sehatry ny varotra ka hampitombo ny tombontsoan’ny mpandraharaha amin’ny asa ataony.
Nandray anjara tamin’ity fakan-kevitra ity ireo mpisehatra ara-barotra samihafa avy amin’ny sehatra tsy miankina, toy ny vondron’ny mpandraharaha nahazo alalana hamaky tanàna ka tsy mandoa fadintseranana eto Madagasikara «Groupement des transitaires» (GTM). Eo ihany koa ny vondron’ny orinasa eto Madagasikara (Gem), ny rafi-panjakana isan-tsokajiny, misy ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Sampandraharaha misahana ny fitantanam-bola ivelany (Finex). Miahy izao hetsika izao ny Komity nasionalin’ny fanamorana ny fifanakalozana (CNFE). Nilaza ny Tale jeneralin’ny varotra sady filoha mpiara-mitantana ny CNFE, Razanakoto Isidore, fa mitohy hatrany amin’ny faritra ny hetsika. Zava-dehibe, hoy izy, ny handrafetana ny paikady hanatsarana ny fifanakalozana ara-barotra ka ho raisina avokoa ny hevitr’ireo mpisehatra, entina hampandrosoana ny sehatry ny varotra eto Madagasikara.
Henintsoa H.