Maherin’ny 5 tapitrisa ny isan’ny mpanao asa tanana malagasy. Mampiasa akora voajanahary ny maro amin’izy ireny. Mba hisian’ny fiantohana maharitra ny akora fototra, ilaina ny fikajiana sy ny fitantanana mirindra ny zavamaniry ampiasain’izy ireo. Natao sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD) sy ny minisiteran’ny Asa tanana sy ny haitao (MAM).
Tanjona ny hampiroboroboan’ny seha-pihariana asa tanana, sady mikajy ny tontolo iainana. Nambaran’ny minisitry ny Asa tanana, Rtoa Ratsiraka Sophie, fa efa ao anatin’ny paikadin’ny minisitera tantaniny, ny fikajiana ny tontolo iainana mirindra. Isan’izany ny fambolena ireo akora fototra ilain’ny mpanao tao-zavatra, toy ny volontsangana, ny rofia, ny ala honko, sns.
Fitantanana maharitra
Eo koa, ny fanofanana ny mpanao asa tanana hanodina indray ny akora efa avy nampiasaina. Manampy ireo, ny famokarana vokatra voajanahary mitsinjo tontolo iainana, toy ny fanamboarana saribao avy amin’ny zava-maniry, toy ny bozaka, ohatra, ny savony, sns. « Misy ny fifampitokisana eo amin’ny minisitera roa tonta, matoa tonga amin’izao fiaraha-miasa izao », hoy ihany ny minisitra, Ratsiraka Sophie.
Nanamafy izany, ny minisitry ny Tontolo iainana (MEDD), Rtoa Vina Marie-Orléa, fa tafiditra ao anaty velirano faha-10, napetraky ny filoham-pirenena, ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary. Nankasitrahany tanteraka ity fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Asa tanana ity, satria tsy afa-misaraka ny roa tonta, sady fananana iombonana rahateo ny harena voajanahary. « Mahatsiaro manana namana tokoa amin’ny fiarovana maharitra ny tontolo iainana », hoy ihany izy.
Njaka A.