Fivoriana Cop11: fitantanana maharitra ny ranomasina

Atao eny amin’ny CCI Ivato, ny 20 hatramin’ny anio 22 aogositra ny fivoriambe iraisam-pirenena mahakasika ny Fifanarahan’i Nairobi. Mifantoka amin’ny fitantanana maharitra ny ranomasina ny lohahevitra.

Miisa 11 ny firenena (Madagasikara, Sey­chelles, Somalia, Kao­moro, Maorisy, Tanzania, Kenya, Mozambika, Afrika Atsimo ary Frantsa amin’ny alalan’i La Réunion) aty amin’ny ranomasimbe Indianina (OI) mandray anjara amin’ity Fifanarahan’i Nairobi (Cop 11) ity.
Maromaro ny lohahevitra dinihina mandritra ireo 3 andro ireo. Tanjona ny fitantanana maharitra ny ranomasina sy ny fiarovana azy sy ny morontsiraka raha sendra misy tranga mandoto ny ranomasina vokatry ny loto avy aty an-tany, ohatra. Eo koa ny fitantanana ny morontsiraka rehetra aty amin’ny tapany andrefan’ny ranomasimbe Indiana.
Fivorian’ireo masoivoho (Points focaux) isaky ny firenena mpikambana ao anatin’ny Cop11 no natao, omaly, andro faharoa. Nodinihina manokana ny fandaharanasa ho tanterahina sy ny famatsiam-bola entina hanatanterahana azy, mandritra ny taona 2025-2028. Niadiana hevitra ny fanapahan-kevitra haroso mandritra ny fivoriana an-tampony, hatao anio 22 aogositra.

VOI miisa 200
Notsipihin’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max Andonirina Fontaine, fa manan-danja ny fiaraha-miasam-paritra toy izao. Tanjona, ny ho faritra fitaratra ny ranomasimbe Indiana aseho amin’ny alalan’ny vahaolana arahina asa, amin’ny lafiny fiatrehana maharitra ny zava-misy, toy ny manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, ohatra.
Anisan’ny harena an-dranomasina ananan’i Madaga­sikara ny ala honko. Nomena lanja manokana ny Vondrona olona ifotony eto amintsika, izay mahatratra 200 izy ireo no mandray anjara amin’ity fivoriana ity, satria izy ireny no tena miaina eny ifotony.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana, anio, ny fanambarana savaranonando ataon’ny rafitra samihafa, toy ny mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny sy ny solontena isaky ny firenena. Ho fantatra ihany koa ny firenena sy ny fotoana hanaovana ny fivoriana Cop12 manaraka.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: