Antoko HVM: handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina

Velona ary mbola vonona hifaninana handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ny antoko HVM. Na eo aza ny fiarahana amin’ny vovonana Firaisankina. Angatahan’ny antoko ny hisian’ny olony ho ao anaty lisitra.

Nanao fanambarana ny avy eo amin’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) tamin’ny alalan-dRakotovao Rivo, mpan­dridra Nasionalin’ny antoko, mahakasika ny toerana misy azy ireo amin’izao fifidianana ben’ny Tanàna sy Mpa­nolotsaina izao. Tao anatin’izany no nanambaran’ity mpandrindra nasionalin’ny HVM ity ny fanohanany ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra ary ny fanoloran’izy ireo olona handrafitra ny lisitra amin’ireo kaominina iseharan’ny antoko manerana ny Nosy.
Araka ny teny filamatry ny antoko HVM hoe “Miara-mientana ho an’ny fampandrosoana”, vonona izy ireo hiara-hiasa amin’ny kandidà sy ny antoko manana vina amin’ny fampandrosoana. Anisan’izany izao fiaraha-miasa amin’ny kandidà Ravalomanana Marc, amin’ny fifidianana hotontosaina ny volana desambra izao. « Anjaran’ny kandidà Ravalomanana Marc, sy ny mpiaradia aminy no mandresy lahatra ny mpifidy hifidy azy fa manolotra paikady sy entina mampandroso sy manarina ny tanànan’Antananarivo no ataonay », hoy Rakotovao Rivo. Anisan’ny resabe ankehitriny ihany koa ny hoe : ” Ady lahy politika no anton’ny filatsahan-kofidian’ny filoha teo aloha”. Manoloana izany, nohamafisiny fa tsy paikady hanaovana valifaty politika no atolotr’izy ireo ny kandidà Ravalomanana Marc, raha manohana azy ny antoko fa paikady entina manatsara ny lafiny sosialy sy toekarena ho tombotsoan’ny tanà­nan’ Antananarivo.
Nambarany ihany koa fa miara-dalana hatrany amin’ny vovonana Firaisankina ny antoko HVM, ary mitaky ny hisian’ny olony anaty ny lisitry ny firaisankina amin’ireo kaominina handrotsahan’ny vovonana kandidà. « Ekena fa misy tanjona iarahana fa politika no atao ary toerana no tadiavina mba ahafahana maneho hevitra ”, hoy Rakotovao Rivo.

Lin

Partager sur: