SNLCC vaovao: Efa manomboka ny famolavolana

Ny faritanin’i Mahajanga no nanombohana ny fanaovana ny dinika isam-paritra hamolavolana ny “Stratégie Nationale de Lutte Contre la Corruption” (SNLCC). Nifara­na omaly ny fikaonandoha, ho an’ny faritanin’i Mahajanga. Dinika nandraisan’ireo tomponandraikitra anjara mahakasika ny ady amin’ny kolikoly ao an-toerana. Raha tsiahivina, dingana voalohany ny fanombanana ny SNLCC 2015-2025. Dingana faharoa kosa izao fanaovana dinika isam-paritra ho fananganana ny SNLCC vaovao izao.
Nifarana ny 1 aogositra 2024 ny fanombanana ny SNLCC 2015-2025. Tao anatin’izany no nahitana fa tsy tratran’ny SNLCC ny tanjona rehetra noho ny fahasarotan’ny toe-draharaha politika sy toekarena ary sosialy. Eo ihany koa ny fandrindrana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Andrimpanjakana ary ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso sy ny loharanon-karena. Avo ny tahan’ny kolikoly eto Madagasikara ary tsy nahitana vokatra lehibe ny paikady hiadina amin’izany.
Amin’ny maha dinika isam-paritra sy isaky ny sehatra azy. Ny olana sy ny zava-misy eny ifotony mihitsy no ezahina fantarina. Antenaina, araka izany, ny hivoahan’ny paikady mahomby entina maningotra eny ifotony ny kolikoly. Fanombohana ihany ny teto Mahajanga fa mbola hisy ny dinika ho an’ny faritra hafa.

Lin

Partager sur: