Raharimanana Patrick: ho kandidà ben’ny Tanànan’ i Mahajanga

Nanaitra ny maro ny fanehoan-kevitr’ i Patrick Rahari­ma­nana, omaly, tao amin’ny tambajotra sosialy, nanambara ny filatsahany hofidiana ho ben’ny Tanànan’i Mahajanga, amin’io fifidianana ho avy io. « Ho ataontsika modely amin’ny fampandrosoana eny ifotony i Mahajanga I … », hoy izy tao anatin’izany fanehoan-kevitra izany. Nisy ihany koa ny filazalazany ireo tetikasany maro samihafa ary ny antso ho amin’ny fanohanana ao anatin’ity fifidianana hotontosaina amin’ny volana desambra ho avy izao ity.
Manomboka mivoaka tsikelikely ny anaran’ireo ho kandidà hofidiana ho ben’ny Tanàna, herinandro vitsy alohan’ny fisokafan’ny fanaterana ny antotan-taratasy ho amin’ izany. Anisan’ny efa nanambara izany filatsahana hofidiana izany Raharimanana Patrick. Raha tsiahivina anefa, mbola misy ny raharaham-pitsarana mahavoasaringotra azy. Ra­haraha famoahana ny fandaharam-potoanan’ny filoham-pirenena no nanenjehana ity farany. Ny 16 jolay lasa teo no niakarany fitsarana noho ny vesatra roa niampangana ny tenany. Voalohany amin’izany ny fanapariahana zavatra tsy nahazoana alalana tao amin’ny tambajotra sosialy. Vesatra faharoa, hiampangana azy, ny fanohitohinana ny filaminam-bahoaka. Ny talata lasa teo anefa no voatondro hivoahan’ny valim-pitsarana mahakasika izany raharaha izany, saingy nahemotra ho amin’ny 17 septambra 2024 indray izany.

Lin

Partager sur: