Nampahatsiahy ireo fepetra ho amin’ny firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna ny eo anivon’ny Ceni, omaly. Maromaro izany, araka ny voalazan’ny lalàna.
Anisan’ireo fepetra takin’ny didy aman-dalàna amin’ireo hilatsaka hofidina amin’ny fifidianana eny anivon’ny kaominina ny tsy maintsy hananany solontena nomem-pahefana na ilay antsoina hoe “Mandataire”. “Tafiditra ao anatin’izany avokoa na ireo kandidà tsy miankina, milatsaka amin’ny anarany manokana. Tahaka izany koa ireo atolotry ny antoko sy vondron’antoko na vovonana”, hoy ny eo anivon’ny Ceni. Nanterin’ny fanambarana fa mety hitarika ho amin’ny tsy fandraisan’ny eo anivon’ny rafitra mpanamarina sy mpikirakira ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina (Ovec) ny dosien’ireo kandidà ny tsy fanajana na ny tsy fanatanterahana izany.
Notsiahivin’ny eo anivon’ny Ceni koa fa tsy maintsy atao efatra sosona ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidina, miaraka amin’ny fitanisana ireo singa mamorona azy.
Etsy andaniny, tsy maintsy atao isa mitovy amin’ny isan’ny toerana hotsinjaraina, miampy mpisolo toerana telo ny lisitry ny mpilatsaka hofidina ho mpikambana eo anivon’ny filankevitra kaominaly na monisipaly.
Tsiahivina fa hanomboka amin’ny 5 ka hatramin’ny 19 septambra izao ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina amin’ny fifidianana hatao ny 11 novambra izao.
Synèse R.