Notanterahina omaly, tao amin’ny Kianja manara-penitra Antsiranana, « Kianjasoa», ny lanonana sy sorona masina lehibe fanokafana ny Kongresy Eokaristika Nasionaly – KEN. Anisany niatrika izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny vadiny. Mpino katolika maro be, niaraka tamin’ireo eveka maro, pretra ary relijiozy no niatrika izany. Hijoroana vavolombelon’ny fitiavana tsy misy fetra an’izao tontolo izao no tanjon’ity Kongresy Eokaristika Nasionaly ity, ankoatra ny fanomezam-boninahitra an’i Jesoa kristy.
Tamin-kafalina lehibe no nandraisan’ireo mpino miisa 15 000, ny filohan’ny Repoblika mivady, nandritra ny sorona masina fanokafana ny KEN, andiany fahatelo. Nitarika izany ny Mgr. Benjamin Ramaroson, arsevekan’ Antsiranana, notronin’ny kardinaly sy ny eveka rehetra eto Madagasikara. “Ny fihavanana no manasitrana izao tontolo izao”. Io no lohahevitra voizina ao anatin’izao kongresy izao. Ny taona 2004 no nisy ny kongresy farany, natao teto Antananarivo. Fotoan-dehibe ho an’ny mpino katolika, indrindra ho an’ny fikambanana masina Afafi- FET, araka izany, ity kongresy ity. Handraisana ny fampianarana avy amin’ireo Raiamandreny am-panahy sy hanovozana aimpanahy entina miatrika ny fiainana andavanandro.
Nisy ny fitsidihana ny fizotran’ny fanamboarana ny fiangonana Katolika St François d’Assise Mahavokatra, nataon’ny filohan’ny repoblika, nialoha ny niatrehana ny lanonam-panokafana ny KEN, andiany fahatelo.
Lin