SOMBIM-BAOVAO

Araka ny vaovao niparitaka ao anaty
tamba­­jotran-tserasera, ny alahady lasa teo, tokony hanao tetikasa goavana amin’ny fampivoarana ny baolina kitra eto Madagasikara ny klioba Fosa Junior FC saingy nosomparan’ny mpisoloky izany. Tsiahivina fa hanan­gana ny Fosa Academy any Boeny ny Fosa Junior.

Hody ny alarobia ho avy izao eto an-tanindrazana ny delegasion’ny Elgeco Plus de Madagascar. Tsiahivina fa avy niatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika CCaf izy ireo ny alahady lasa teo. Tsy nahomby moa ity ekipa malagasy ity saingy tsy resy mihitsy izy ireo nandritra ny lalao mandroso sy miverina.

Hiditra amin’ny andro fahefatra, anio, ny
fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 20 taona, taranja basikety, tanterahina any Farafangana. Lalao anisan’ny niady, omaly, ny fifandonan’ny MB2All sy ny JEA izay nisaraka tamin’ny isa 49 no ho 45. Fandresena izay azon’ny ekipan’ny MB2All.

Hatao ny 2 hatramin’ny 8 septambra izao,
any Tunisie, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja karaté, ho an’ny sokajy Cadets, Juniors ary Seniors. Anisan’ny handray anjara amin’izany i Madagasikara ary efa miatrika fampivondronana ireo mpikatroka rehetra amin’izao.

Partager sur: