Fiarovana ny antsantsa sy makoba: natsangana ny drafitra nasionaly ho an’ny fitantanana lovain-jafy

Napetraka ny Drafitra nasionaly ho an’ny fiarovana sy fitantanana lovain-jafy ny antsantsa sy ny makoba (PNCGDRR) eto Madagasikara mba hiantohana azy ireo, noho izy ireo miantoka ny tontolo an-dranomasina.

Nampahafantarany oma­ly, teny Antanina­renina, ny Drafitra nasionaly ho an’ny fiarovana sy fitantanana lovain-jafy ny antsantsa sy makoba (PNCGDRR) eto Ma­dagasikara. Harena voajanahary eto amintsika ny antsantsa sy ny makoba ary miantoka ny tontolo an-dranomasina sy ny toekaren’ny mponina mivelona amin’izany. Mamelona fianakaviana maro eto amin’ny firenena ny jono makoba. Mihena ny isan’ireto zavamananaina ireto tao anatin’ny 10 taona mahery izay. « Talo­han’ny taona 2013, mahatratra hatrany amin’ny 35 000 taonina isan-taona ny antsantsa sy makoba azo jonoina eto amintsika. Ankehitriny mihena hatrany amin’ny antsasany izany », hoy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy fampandrosoana lovainjafy, Rasamoelina Moïse. Manana karazana antsantsa 80 sy makoba 44 karazana i Madagasikara ary voasokajy ho lany tamingana ireo karazana antsantsa 37, arovana mafy kosa ny karazana antsantsa 22, araka ny lisitra mena avy amin’ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana (UICN).

Toekarena
Mandray anjara betsaka amin’ny fampiroboroboana ny toekarena maneran-tany ny jono antsantsa. Mampidi-bola eo amin’ ny 400 ka hatramin’ny 500 tapitrisa dolara izany. Ho an’i Madagasikara, tsy mazava ny politika fitantana ny antsantsa sy makoba. Manodidina ny 1 300 ka hatramin’ny 20 000 taonina isan-taona ny vokatra naondrana ny taona 1995-2003. Tafa­katra hatrany amin’ny 30 000 ka hatramin’ny 40 000 taonina izany nanomboka ny taona 2004-2013. Nilatsaka hatrany amin’ny 15 000 taonina kosa izany taorian’izay. Antony mahatonga izany ny fitomboan’ny tinady eo amin’ny tsena eto an-toerana sy iraisam-pirenena izay mandrisika ny jono tsy ara-dalàna eo amin’ny sehatra rehetra. Ilaina, araka izany, ny mametraka fepetra hiarovana sy hitantanana lovain-jafy ireto harena an-dranomasina ireto, hoy ny tale jeneralin’ny Wildlife Conservation Society (WCS) eto Madagasikara, Rasolofomanana Lovy .

Henintsoa Hani

Partager sur: