Fotoanan’ny famadihana: mihena isan-taona ny fanjifana ireo fitaovana ampiasain’ny mpamadika

Amin’izao fotoana izao, mbola tafiditra tsara ao anatin’ ny vanim-potoa­nan’ny famadihana ny eto Madaga­sikara. Ny volana aogositra hatra­min’ny oktobra no fotoana tena ma­ha­be mpamadika eto amin’ny Nosy. So­mary nihena ny fan­jifana ny tsihy sy ny lambamena eny an-tsena.

Famonosan-damba vaovao na famindrana toerana ny razana no antsoina hoe famadihana, araka ny heviny. Fomba amam-panao nataon’ny Ntaolo fahiny izy io, ary mbola maro ny manao izany, ankehitriny. Miseho amin’ny endriny maro ny famadihana amin’ny ankapobeny. Eo ny famonosan-damba ny razana, izay milevina ao amin’ny fasan-drazana. Mety ho famindrana razana ao amin’ny fasam-bao. Na fampidirana am-pasan-drazana ny faty natao an’irotra. Eo koa ny fampodiana am-pasan-drazana ny taolambalon’ny olona maty tany am-pilana ravinahitra.

Mandritra ny fotoanan’ny famadihan-drazana, fitaovana iray tsy afa-misaraka amin’izany ny tsihy sy ny lambamena. Ny lamba natao hamonosana ireo razana maina navoaka tao am-pasana.

Mbola tsy lefy laza ny fivarotana lambalandy amin’izao fotoana izao. Misy karazany ny lamba vokarina sy amidin’ireo mpivarotra eny an-tsena. Toy ny lamban-databatra, lam­ba fitafy, lamba fanao akanjo, eo koa ny lamban-drazana. Misy ny lamba famonosana razana lena sy ny maina. “Mihena isan-taona ny mpividy lamba hamonosana razana maina na dia fotoanan’ny famadihana aza”, hoy ireo mpivarotra nanontaniana. An­tony mahatonga izany ny foto-pinoana ananan’ny tsirairay avy. “Efa mirona any amin’ny hoe izahay tsy mamadika ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao”, hoy hatrany ny fanazavana. Faharoa, ny tsy fahampian’ny entin-manana ho an’ireo izay manao ny famadihana, satria mihasarotra ny fiainana. Mividy lamba ihany izy ireo fa mihena ny ny isany. Manodidina ny 30 000 Ar hatramin’ny 400 000 Ar ny vidin’ny lambamena iray eny an-tsena. “Tsy dia misy mividy ny lamba lafo vidy tahaka izany, satria sahirana ny ankamaroan’ny olona”, raha ny fanazavan’ny mpivarotra.

Lamba tavoahangy no tena be mpividy

Ankoatra izay, miankina amin’ny taona ihany koa ny fandehanan’ny tsena ho an’ireo mpivarotra. “Lamba tavoahangy no tena be mpanjifa ampiasaina amin’ny famadihana amin’ny ankapobeny”, hoy hatrany ny mpivarotra. Mafy ary maharitra aman-taonany mihitsy vao simba na rovitra izy ireny ka antony mahabe mpisafidy azy. Mbola mora vidy ihany koa izy raha oharina amin’ny lambamena hafa natao ho famonosana razana maina. Manodidina ny 7 000 Ar hatramin’ny 15000 Ar ny vidin’ny lamba tavoahangy iray eny an-tsena. Manodidina ny 2 metatra eo ny lamba vidin’ny fianakaviana.

Aorian’ny lanonam-pamadihana, misy ireo foko sasany manapoaka basim-borona intelo misesy, marika fa vita ny famonosan-damba ny ra­zana. Tsy tapitra hatreo ny fety ho azy ireo fa mitohy amin’ny fandihizana sy lanonana mandra-maraina amin’ny alalan’ny fandefasana zavamaneno indray.

Mitondra fahasoavana ny tsihy avy nampiasaina

Fitaovana iray tsy afa-misaraka amin’ny fanaovana famadihana ihany koa ny tsihy. Natao hipetrahana sy hibatana ny razana avoaka sy averina ao am-pasana izy io. Amin’ny ankapobeny, tsy ariana ny tsihy avy nampiasaina teny am-pasana, nandritra ny lanonana. Tahirizina ary ampirimina tsara ao an-tokantrano izany, mba hitondra fahasoavana ho an’ny taranaka. Amin’ny ankapobeny, ifandrombahan’ny vehivavy te hiteraka ao amin’ny fianakaviana ny tsihy avy nametrahana razana rehefa aorian’ny lanonana. Entin’izay mahazo azy mody izany avy eo ary apetraka ao ambany kidoro satria heveriny fa hitondra soa sy fanambinana izany. Mbola tsy lefy laza izany finoana izany, fa mbola maro ireo manao azy ankehitriny, raha ny zava-misy mandritra ny fotoam-pamadihana. Somary nihena ihany koa ny fanjifan’ny olona ny tsihy teny an-tsena tamin’ity taona ity raha oharina tamin’ny taon-dasa, hoy hatrany ireo mpivarotra.
Manana olana ny mpivarotra lambamena amin’izao fotoana izao, raha ny fanadihadiana natao hatrany. “Raha miresaka ny landy gasy, tsikaritra tato ho ato fa nihena be ny vokatra azo avy amin’ny landibe na ny landikely na ny “soie domestique””, hoy ireo mpamokatra sy mpivarotra lamba landy nanontaniana. Antony mahatonga izany, ny doro tanety ataon’ny olona eto amin’ny Nosy. Vokany, may avokoa ireo landibe rehefa may ny tanety ary lany tamingana satria tsy manatody intsony.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: