Salon des études supérieures : fisafidianana lalam-piofanana manavanana

Hifarana anio, ny «Salon des études supérieures», an­diany faha-21, etsy amin’ny Akoor Digue Andohata­pe­na­ka. Hetsika karakarain’ny Ma­da jeune. Natao hanampiana ireo mpianatra vao afaka ny fanadinana bakalorea teo hahay hisafidy ny lalam-piofanana mifaranaka amin’ny ta­len­ta sy ny manavanana azy ireo.
Mampiavaka ny hetsika ny fisian’ny fitsapam-pahaizana ho an’ny mpianatra eny an-toerana. Tanjona ny hahafantaran’ny mpianatra ny lalam-piofanana izay mifanaraka amin’ny toetrany sy ny tanjony ary ny zavatra manavanana azy, nandritra ny fianarana rehetra nataony isan’ambaratongany. “Zava-dehibe ny fahaizana misafidy ny lalam-piofanana arahina satria afaka miasa amin’ny zavatra tiana sy afaka miezaka hanatratra ny tanjona”, hoy Rajaonah Haingo, tomponandraikitry ny Mada jeune. Nambarany fa mazoto foana ny olona iray rehefa miasa amin’ny zavatra tiany na dia eo aza ny sedra lalovana. Nohamafisiny fa tokony ho any amin’ny kilasy faharoa ny ankizy no hamantatra ny lalam-piofanana sy ny asa tiana sy manavanana azy. Manodidina ny 5 000 eo ho eo ny mpianatra andrasana hanatrika ny hetsika mandritra ny roa andro.

Mino

Partager sur: