Miasa tsy an-kiato ao anatin’ny 20 andro ireo mpiara-miasa ao amin’ny Apipa hahazoana vokatra misongadina. Tanjona ny tsy hisian’ny tondradrano amin’ny lemak’Antananarivo amin’ity fotoam-pahavaratra ity.
Miomana avy hatrany amin’ny fiatrehana ny vanim-potoan’ny fahavaratra ny Apipa. Nanao fanamby ny ekipa tarihin’ny tale Ramanantsoa Andriamahafaly Rado ny tsy hisian’ny fiakaran’ny rano mihoapampana ka hiteraka tondradrano amin’ny lemak’Antananarivo amin’ity fotoam-pahavaratra ity. Tanjona ny hampihena ny isan’ireo tokantrano traboina eny amin’ny faritra iva.
Efa hatramin’ny volana mey teo no efa nomena toromarika ny tomponandraikitra rehetra ao amin’ny Apipa ny hanombohana avy hatrany ny asa fiomanana amin’ny fiavian’ny orana.
Manohy ny asa ny ekipa ary tsy mitsahatra mikolokolo ny lakandrano. Miasa andro aman’alina, hatramin’ny andro sabotsy sy alahady, izy ireo, mba hahatomombana ny fiatrehana ny fahavaratra sy ho fitsinjovana ireo vahoaka monina eny amin’ny faritra iva.
20 andro tsy miato ny asa fanadiovana goavana atao, hahazoana vokatra misongadina.
Manadio sy manala fotaka amin’ny lakandrano C3 ter, mirefy 8 238 m eo no atao amin’izany. Manomboka amin’ny faritra Ankandimbahoaka Andrefana ka hatrany Andohatapenaka III, mahazo an’i Makis sy ny digue Antsampanana, mitohy amin’ny faritra Ankadimbahoaka – Anosizato Est I, Anosizato Est II, Ampangabe Anjanakinifolo, Ilanivato, Ampefiloha Ambodirano, Andohatapenaka I-II-III ary mivoaka any amin’ny lakandrano C3.
Ankoatra izay ny lakandrano eo anelanelan’Ankandimbahoaka sy Anosizato Est I, izay mirefy 884 m.
Nosokafana ihany koa ny Dalot na ny sarona lakandrano mirefy 45 m izay manapaka ny lalam-pirenena I eo Anosizato Atsinanana. Manampy amin’ny fikorianan’ny rano ny fanatanterahana izany.
Ankoatra ny olona miasa dia mihetsika ihany koa ireo fitaovana vaventy hanalana ireo fako sy fotaka miandrona any ambany lakandrano.
Miantoka ny ain’ny mponin’Antananarivo ny asan’ny Apipa, indrindra mandritra ny fotoam-pahavaratra. Maro ireo faritra dibo-drano vao mirotsaka kely ny orana, voatery mifindra monina.
Mitaky ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay
Miankina amin’ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay ihany koa ny fanarenana. Mila faizina ireo manary fako anaty tatatra sy lakandrano izay fositra mampitohana ny fikorianan’ny rano ka miteraka tondradrano. Toraka izany ny fanorenana tsy ara-dalàna eny ambony fefiloha sy lakandrano izay miteraka fanelingelenana tsy hahafahana manao ny fanadiovana na manampina tanteraka ny lalan-drano mihitsy aza. Manana andraikitra ny rehetra mifehy ny fakony tsy ho tonga any anaty lakandrano. Mila hentitra ny fanaraha-maso eny anivon’ny fokontany amin’ny fanariana fako ataon’ny mponina.
Tatiana A