Miara-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ireo orinasa ny minisiteran’ny Asa amin’ny fampandehanana ny foibe Manjary Soa mitaiza ireo ankizy sahirana. Nanohina ny antso ny vondrona Axian.
Tonga nanolo-tanana ny foibe Manjary Soa 67 Ha ny vondron’orinasa Axian, omaly. Nanome fitaovam-pianarana sy kojakoja hiatrehina ny fidirana an-tsekoly izy ireo. Nampanantena koa fa hiantoka ny sakafon’ireo mpianatra 35 beazina ao amin’ny foibe Manjary Soa mandritra ny taom-pianarana 2024-2025.
Nilaza Razakamantsoa Jessica, tomponandraikitra ao amin’ny vondrona Axian, fa famaliana ny antso nataon’ny minisitera hanohanana ny ankizy sahirana no atao.
Akanin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana ity foibe mitaiza ny ankizy sahirana ity. Hiadiana amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona no tena antom-pisiany.
Ireo ankizy voatery niasa na tandindomin-doza amin’ny asa mamoafady noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreniny no navotana ka beazina ao. Mpantsaka rano, mpiasa an-trano, mpanary fako…no asan’ireo ankizy eny amin’ny fiarahamonina, hoy ny mpampianatra azy ireo, Ralalarisoa Vero. 8 ka hatramin’ny 13 taona izy 20 mianadahy ampianarina ao.
Miisa 15 kosa ireo ankizivavy 14 ka hatramin’ny 17 taona omena fiofanana momba ny zaitra, mandritra ny 8 volana. Teny anivon’ny fiarahamonina, nanao asa sarotra sy mamoafady ihany koa izy ireo, no nalaina. Tanjona ny hahafahany miasa ara-dalàna mahaleo tena amin’ny fivelomana.
Miara-miasa amin’ny fokontany manodidina ny minisitera amin’ny fifantenana ireo ankizy mendrika hisitraka ny fanohanana manokana ao amin’ny foibe Manjary Soa. Ankizy avy amin’ny fokontany Andohatapenaka, Ankasina, III G Hangar ary Antetezana Afovoany izy ireo.
Tatiana A