Iray volan’ny aretina Alzheimer : manomana hetsika ny Madagascar Alzheimer Masoandro Mody

“Ho fiarahamonina mampiaty ny mararin’ny Alzheimer” ny lohahevitra hitondrana ny hetsika mandritra ny iray volana momba ny aretina. Misy hetsika avokoa mandritra ny sabotsy telo manomboka ny sabotsy ho avy izao.

Volana maneran-tany momba ny aretina Alz­heimer ity volana iny. Manomana hetsika maimaimpoana ny fikambanana Mada­gascar Alzheimer Masoandro Mody, mandritra izany. Afaka mandray anjara avokoa ireo rehetra liana hamantatra ny aretina na koa hanohana ny fikarakarana ny marary sy ny fianakaviany. Misantatra izany, ny sabotsy 14 septambra ho avy izao, ny diaben’ny firaisankiana manodidina ny farihin’ Anosy, manomboka amin’ny 9 ora maraina. Eo amin’ny fidiran’ny zaridaina Anosy ny fiaingana. Mandritra ny hetsika, misy fampahanfatarana momba ny aretina sy ny manodidina azy, miaraka amin’ny fanohanana ny fianakaviana manana marary. Hanafana ny fanentanana ny hiragasy iarahana amin’ny tarika Rabejean, Mia­rinarivo. Nanambara ny mpikarakara fa tsy mila fisoratana anarana mialoha fa eny an-toerana ny fotoana,
Fizahana maimaimpoana ao amin’ny foiben’ny fikambanana eny Fenomanana Maha­zoarivo kosa indray ny hetsika faharoa, ny sabotsy 21 septambra, manomboka maraina. Ho hita eny ny fitiliana ny fitadidiana, fitiliana ny diabeta sy ny tosidra. Manampy ireo ny fanaraha-maso ny lanja sy ny fanomezana torolalana sy torohevitra raha sendra ma­nana olana momba ireo ilay mpitsidika. Mila misoratra anarana mialoha kosa ho an’ity hetsika ity, fa voafetra ny toerana. Dinika tora-po sy fiaraha-misakafo amin’ny fianakaviana mitaiza marary ao amin’ny foiben’ny fikambanana no fandaharam-potoana ho an’ny sabotsy fahatelo. Arahana fizarana sy fifanakalozana amin’ny fianakaviana manana marary ny fihaonana. Toy ny hetsika faharoa, ilaina ny misoratra anarana.
10 ny fambara mahaka­sika ny aretina Alzheimer sy ny aretina toa azy ka raha misy tranga miverimberina matetika amin’ireo miseho, tsara ny manatona mpitsabo avy hatrany.

Vonjy

Partager sur: