Fieferamanga sy Ambohimiarina : fianakaviana 500 vonona hifindra monina

“Ankohonana 500 no efa maneho fahavononana hifindra monina any Fieferamanga sy Ambohimiarina, distrikan’Itasy, ao anatin’ilay tetikasa Ankohonana Miarina”, hoy ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, teny Ambo­­himangakely, ny sabotsy teo.
Efa ela no natao ny fanomanan-tsaina sy ny fiofanana ara-pihariana tamin’ireo fianakaviana ireo. 300 ireo fianakaviana hanainga amin’ny volana oktobra ary ho feno 500 izany any amin’ny volana novambra, raha ny fanazavan’ny minisitra.
Omena fitaovana enti-mamokatra ireo olona afindra monina. Velaran-tany 2000 m2 no misy ny trano fonenana ary 600m2 no hanaovana fambolena.
Mitohy ny tantsoroka ho azy ireo rehefa tonga any. Ny SENVH no manomana ny trano ary ny minisiteran’ny mponina no manomana ireo olona ho afindra toerana. Ny minisiteran’ ny Fambolena sy fiompiana kosa no manofana ara-teknika. Tokony hisy tanora 2 na 3 ao amin’ilay ankohonanana manana fahavononana hiasa handray angady.
Marihina fa 1 440 ireo tokantrano nisitraka ny tantsoroka Tsimbina, ny faran’ny herinandro teo, teny Ambohimangakely. Lelavola 1 hetsy Ar avy no nozaraina hampivoarany ny fiainany.

Tatiana A.

Partager sur: