Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny anivon’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, ny lanonana famoahana ireo ankizy nobeazina sy nofanina tao amin’ny foibe Manjary Soa. Akany fitaizana ireo zaza sahirana eto amin’ny faritra manodidina ny minisitera foibe 67Ha izy ity. Nitarika ny lanonana ny minisitra Razakaboana Hanitra Fitiavana, ireo tomponandraikitra ambony, ireo mpiara-miasa eo anivon’ny minisitera ary ny mpanabe ao amin’ny Akany.
Notolorana mari-pahaizana ireo ankizy miisa 15 niofana tamin’ny fanaovana zaitra ary notolorana fitaovam-pianarana ihany koa ireo ankizy miisa 20 alefa hianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana. Nomarihin’ny minisitra mpiahy fa anatin’ny vaindohan-draharahan’ny minisitera ny hanangana foibe Manjary Soa eny anivon’ny Fitaleavam-paritra manerana ny Nosy ka hatomboka amin’ireo renivohi-paritany dimy izany.
Tamin’ity hetsika ity, niara-nisalahy tamin’ny minisiteran’ ny Asa, ny fampananana asa ny Fondation Axian izay nanolotra fitaovam-pianarana sy fanohanana ara-tsakafo ho an’ ny ankizy ao amin’ny io akany io, mandritra ny taom-pianarana 2024-2025. Tanjona amin’ ny tetikasa ho an’ny roa tonta ny hanafoanana ny fampiasana ankizy eto Madagasikara, miaraka amin’ny fitaleavana momba ny fampivoarana ny zo fototra ho an’ny asa.
Vonjy




