INDRAY MIJERY

Nihaino ireo mpiara-miasa aminy, tao Toamasina, ny minisitra Razafinjato Aurélie. Tamin’izany koa no namangiany ireo tokantrano marefo ka nanolorany fehezan-karona nahitana vary, menaka, savony, voamaina… Miisa 500 ireo nisitraka izany. Nahitana zokiolona sy olona manana fahasembanana ary renim-pianakaviana. Nisy koa ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana.

“Fampiroboroboana ny fanabeazana amin’ny fitenim-pirenena maro: fampianarana mamaky teny sy manoratra ary mikajy ho an’ny fifankahazoana sy ny filaminana”. Io no lohahevitry ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ary mikajy, ny faran’ny herinandro teo.

Noraisin’ny talem-paritry ny mponina ao Vakinankaratra ny fikarakarana ilay zazavavy kely 7 volana novonoin-dreniny tao Atsoantany, AntsirabeII. Marihina fa tsy salama saina ilay reniny ary nodarohiny ilay zanany. Tsy maintsy nentina niakatra ao Antsirabe ilay zaza hotsaboina.

Zava-doza ho an’ny reny mitondra vohoka sy mampinono ny fisotroan-toaka. Mahatara ny fitomboan’ny zaza sy tsy mahatomombana ny vatana sy ny sain’ilay zaza izany. Tokony hofadina ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola mandritra ny fitondrana vohoka sy rehefa mampinono hisorohana izany.

Partager sur: