Mpanaparitaka héroïne: voaheloka dimy taona an-tranomaizina i Fortuno

Nivaly ny didim-pitsarana fa midoboka dimy taona any am-ponja, sazy mihatra, ny lehilahy iray atao hoe Fortuno. Mpanaparitaka rongony mahery vaika tao Toamasina, ny 22 desambra teo. 

Voasaringotra tamin’ny fahatrarana zava-mahadomelina izy sy ny namany efatra mianadahy hafa. Nokasain’ireo haondrana  tao Toamasina ireo héroïne avy any Nosy Be ireo. Nalefan’ireto mpanao asa maloto tamin’ny orinasa mpandefa entana izany. Nosoratana tamin’ny taratasy nandefesana ny entana fa trondro maina io tao anaty fonosana io. Voasambotra teo am-panaterana ny entana  tamin’ny adiresy nipetraka anefa i Fortuno. Noho ny fisavana tampoka nataon’ny mpitandro filaminana, tra-tehaka fa rongony mahery vaika tokoa ny tao anaty fonosana. Namaly io lehilahy nahatrarana azy io fa entana handeha haterina fotsiny ihany izany. Nogiazana, araka izany, ny rongony teny amin’i Fortuno. Notanana natao fanadihadiana kosa izy. Niakatra fitsarana tamin’ny alakamisy teo ny raharaha. Voaheloka higadra dimy taona i Fortuno. Efa mpanao io asa ratsy io izy, araka ny fanamafisan’ny eo anivon’ny fitsarana ao an-toerana. Tetsy ankilany, niaro an’ity lehilahy ity hatramin’ny farany ny mpisolovava azy. Nolazaina tamin’io fotoanan’ny fitsarana io fa lehilahy marary saina i Fortuno. Na izany aza, niharan’ny sazy sady mandoa onitra 4 050 000 Ar ity farany. Afaka madiodio ireo namany efatra hafa.

Sajo/Tsiferana R.

Partager sur: