Datina: vonona hampandroso an’Ambohimanambola

Naneho fahavononana hitondra fampandrosoana An­drianasolo Nofinirina Tinasoa na Datina. Izy, araka izany, no kandidà voalohany ho ben’ny Tanàna nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina eny amin’ny kaominina Ambohimanambola, distrika Avaradrano. Niaraka amin’ireo mpiara-dia aminy sy ireo mpanolotsaina 7, omaly, nanatitra izany.
Nilaza ny filohan’ny Ovec fa i Datina mihitsy no kandidà voalohany nanatitra izany taratasy izany ao amin’ny distrikan’Avaradrano.
“Fanehoana fahavononana sy fahafenoana fepetra hiatrehina ny fifidianana sy ny fampandrosoana ny tanàna sahady izao”, hoy ity kandidà ity. Nanentana ireo vonona ny hitondra hevitra ho fampandrosoana, manana traikefa sy ny fahaizana amam-pahalalana, ny tenany ho an’ny kaominina Ambohimanambola. Mi­sokatra amin’ny rehetra ary mihaino sy miara-miasa
amin’ny fikambanana sy antoko rehetra ny tenany. Tsy hijerena loko politika intsony fa hiara-hiandrandra tanjona iombonana dia ny hoe “Ambo­himanambola mila miova, Ambohimanambola mila mandroso”.

Randria

Partager sur: