Taorian’ny fiofanana natao, notolorana mari-pahaizana ireo vehivavy niofana momba ny zaitra teo anivon’ny WMG.
Navoaka sy nomena mari-pahaizana tetsy Ambatoroka, omaly, ireo vehivavy 15 niofana momba ny tontolon’ny zaitra teo anivon’ny Wednesday Morning Group (W.M.G). Andiam-pianatra voalohany, nampitondraina ny anarana hoe: “Santatra”, izy ireo. Niofana nandritra ny 3 volana, nanomboka ny volana jona teo. “Zava-dehibe ny tetikasa tahaka izao satria ahafahana manofana ireo vehivavy mba hahaleo tena sy hanana asa hamelona ny zanany ary hivoatra ara-tsosialy”, hoy ny filohan’ny WMG, Fiona Tsiranana, nandritra ny lahateniny.
Nofanina mahakasika ny tontolon’ny zaitra rehetra amin’ny ankapobeny izy ireo nandritra izany fotoana izany. Efa nahavita nanjaitra akanjo isan-karazany sy modely vaovao avo lenta ireto vehivavy ireto tamin’izany. Toy ny fomba famoronana modely vaovao eo amin’ny akanjo sy ny fanamboarana serviettes hygièniques azo sasana, izay hozaraina ho an’ny mpianatra eny anivon’ny CEG sy Lycée manodidina an’Antananarivo. Satria, maro ny mpianatra tsy manana fahafahana hividy azy ireny, raha ny fanazavana hatrany.
Vehivavy mahay manoratra sy mamaky teny
“Tsy mora ny mitady mpianatra fa anisan’ny takina amin’ireo vehivavy mpisitraka fiofanana ny fahaiza-manoratra sy mamaky teny”, hoy hatrany ny filohan’ny WMG, Fiona Tsiranana. Efa malaza maneran-tany fa mahay manjaitra ny vahoaka malagasy. “Hita sy tsapa mandritra ny fiofanana omena ireo vehivavy eny amin’ny ivontoeram-piofanana ireo fa tena mahay ny vehivavy malagasy eo amin’ny tontolon’ny zaitra”, hoy hatrany izy. Efa niditra tamin’ity volana septambra ity ny andiany faharoa amin’ireo mpianatra. Ezaka ataon’izy ireo ny hamoaka vehivavy 100 mahery isan-taona momba ity sehatra iray ity.
Mino




