Natolotra teny amin’ny CHU HJRA, tamin’ity herinandro ity, ny fiara tsy mataho-dalana miisa 11, hanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana avy amin’ny Unicef. «Hampiasain’ny sampandraharaha misahana ny vaksiny, fahasalaman’ny fianakaviana ary ho an’ny faritra Ihorombe, Atsimo Andrefana, Fitovinay, Diana, Androy ary Analanjirofo ireto fiara vaovao ireto», hoy ny solontenan’ny Unicef eto amintsika, i Christine Jaulmes. Mitentina 278,361 dolara ny fitaovana, hanohizana ny fanohanana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.
Manao tantsoroka ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Unicef, ahafahan’ny ankizy rehetra mahazo tolotra fitsaboana, fanjarian-tsakafo, vaksiny, hiantoka ny fahasalamany. Eto Madagasikara, araka ny fanadihadiana EDS 2021, mahatratra 47 amin’ny fahaterahana velona 1 000 ny zaza mamoy ny ainy mialoha ny faha-herintaonany. Ahafahana misoroka ny fahafatesana ny fanaovam-baksiny maimaimpoana (vokatry ny famatsiam-bolan’ny Gavi) sy ny fizarana singa mpamelona ho an’ny ankizy vao teraka hatramin’ny faharoa taonany.
«Ahafahan’ny tomponandraikitra samihafa midina ifotony ny fisian’ireto fiara vaovao ireto, mba hanaraha-maso ny fahasalaman’ny vahoaka», hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo.
Vonjy




