Nahazo aim-panahy vaovao ny ankizy nandritra ny fankalazana ny Noely. Nasehon’izy ireo tamin’ny fampisehoana “Arbre de Noël” izany.
Toy ny isan-taona, nikarakara hetsika “Arbre de Noël” nandraisan’ny ankizy anjara ireo mpanabe eny anivon’ny fiangonana rehefa fotoanan’ny Krismasy. Noely niavaka ny tamin’ity taona ity raha ny zavatra hita sy nasehon’ny ankizy. Nahazo aim-panahy betsaka momba ny Soratra Masina izy ireo nandritra ny fampisehoana. “Mampitombo ny fahalalana ho an’ny ankizy sy tena iainana ny nahatongavan’i Jesoa Kristy Tompo ho nofo fa tsy mijanona ho tantara fotsiny ihany”, hoy i Njaka, filohan’ny Sekoly Alahady ao amin’ny FJKM Ambalavao Isotry. Dihy, hira, tantara an-tsehatra, sns, ireo fampisehoana nataon’izy ireo Faly avokoa izy ireo nandritra ny fankalazana ny fety. Natao ny nampifaliana ireo ankizy, hoy ny mpanabe satria andron’izy ireo ny fety nahaterahan’i Jesoa. . Niavaka ny hetsika raha oharina tamin’ny taona lasa, hoy ireo mpanabe. Nampiseho isaky ny sokajiny avy ireo ankizy raha toa ka nitambatra be hatrizay. Nandray anjara avokoa ny kilasy voalohany, faharoa, fahatelo, fahefatra, fahadimy hatramin’ny olon-dehibe ho an’ny FJKM. Fikambanana masina maro toy ny FET, Tampikri, Fanilon’i Madagasikara ireo nanao fampisehoana ho an’ny fiangonana katolika. Tsara fiomanana avokoa ny ankizy satria naharitra iray volana sy tapany ny fanomanana. “Entanina ny ankizy hiditra fikambanana masina eny anivon’ny fiangonana fa manampy betsaka amin’ny fitaizana ara-tsaina, ara-batana sy ara-panahy izany”, hoy i Flavien, mpanabe FET eo anivon’ny fiangonana katolika Md Jerome Anosibe.
Maro ireo tonga nivavaka
Mazoto ny olona niditra am-piangonana tamin’ny fankalazana ny Krismasy 2022. Feno hipoka avokoa ireo fiangonana rehetra notsidihina ny alahady, nandritra ny fotoam-pivavahana. Fivavahana tokana ihany tamin’ny sasakalin’ny Noely. Nisy fidirana indroa, intelo ary inefatra ny fiangonana sasany ny alahady. Tsiahivina fa anisan’ny nahasarika ny tanora maro ny fanatrehana ny sasakalin’ny Noely. Fotoana nampisehoan’izy ireo rindran-kira mikasika ny fahaterahan’i Kristy. Fikambanana tanora eny anivon’ny fiangonana ireo nandray anjara tamin’izany.
Zaza teraka
Razafiharinirina Michou Sandra, zazavavikely, izy no teraka voalohany tamin’ny 25 desambra teo. Teraka tamin’ny 3 ora latsaka dimy maraina tao amin’ny hopitaly Befelatanana. Rahanirina Natacha sy Rafalinirina ny ray aman-dreniny, mipetraka eny Manjakaray. Tsiahivina fa miisa sivy ireo zazakely vao teraka tamin’io andro io hatramin’ny ora nialanay teny an-toerana.
Mino