Kaominina Antananarivo Renivohitra : olona 3 000 nangataka fanazavana momba ny fandoavan-ketra

Manao fanamorana ny fandoavana hetran-trano ny kaominina Antananarivo Renivohitra ho an’ny taona 2021-2022. Mamaly ny fanazavana momba izany ihany koa ny vaomiera manokana natsangana.

Nisy ny atrikasa fandresen-dahatra sy fanazavana momba ny hetran-trano 2023 (Ifpb), ataon’ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra, ny herinandro teo.
Tapaka tamin’izany fa hivoaka manomboka ny volana oktobra izao ny taratasin-ketra ho an’ny trano ho an’io taona 2023 io.
Nodinihina manokana iha­ny koa anefa ny mahakasika ireo hetra tany aloha tsy mbola voaloa ary nanaovan’ny olona fitarainana. Olona 3 000 mahery no naharaisana fitarainana sy fangatahana fanazavana mahakasika ny hetra tsy mbola voaloa.
Hatsangana ny vaomiera manokana hisahana ny fandinihana ireo fitarainana ireo mba hamaliana haingana ny hetahetan’ny mponina sy hitadiavana marimaritra iraisana. Ny eo anivon’ny fitaleavana misahana ny tsara tantana sy ady amin’ny kolikoly no miandraikitra izany.
Tetsy andaniny, hisy ny fanamorana ny fandoavana hetran-trano ho an’ny taona 2021- 2022 ary efa afaka mandoa izany eny amin’ny toerana voatokana ho amin’ izany ny mponina. Porofon’ny fandoavan-ketra ny taratasy fanamarinana izay tsy tokony hoariana mihitsy rehefa misy ny fanaraha-maso atao.
Miezaka manatsara sy manafaingana ny tolotra rehetra eo anivon’ny kaominina ny ekipan’ny delegasiona manokana misahana ny tanàna, Ramanantsoa Harilala. Man­da­mina ny fikarakarana taratasy mba tsy hitarazoka na ao amin’ny kaominina na amin’ ireo boriborintany enina mandrafitra azy.
Atao anatin’ny mangarahara ny fomba fiasa hananan’ ny rehetra fitokisana satria ny tanàna dia an’ny mponin’Anta­na­narivo. Momba ny hetra dia miverina ho an’ny mponina amin’ny alalan’ny tamberin’ andraikitra ihany izany.

Tatiana A

Partager sur: