Mamokatra betsaka sady tsara ny faritra Ihorombe. Ankoatra ny tontolon’ny fizahantany amin’iny faritra Ihorombe iny. Manambara izany ireo harena samihafa, toy ny Roche lodge mahasarika vahiny maro. Manan-karena ambanin’ny tany isan-karazany koa izy, toy ny safira tsara kalitao indrindra. Manome asa ny eto an-toerana daholo ireo, ary mbola azo jerena akaiky ireo karazana harena ao Ihorombe, izay tokony ny Malagasy no manjaka aminy amina sehatra maro.
ohatra any amin’ny kaominina Begogo, afaka mamboly sy miompy, eo koa ny any Ivongo mamokatra tantely tsara kalitao. Misy ny fanodinam-bokatra any amin’ireo kaominina ireo toy ny fanodinana menaka (huile biologique). Toy izany koa ny katsaka sy mangahazo avadika ho lafarinina, isan’ny vokatra maro mpandray eto an-toerana sy any ivelany.
Ao amin’ny kaominina Ivongo, tokony hisy fanodinam-bokatra fanampiny hahazoana menaka (huile biologique). Marihina fa efa misy iray any an-toerana manao izany. Tolokevitra aroso koa ny hahazoana lafarinina, katsaka, izay be mpitady amin’ny tsena eto an-toerana hatrany ivelany.
Ndrina