Hetsika CRCO-CRFIM: sambo miisa 19 nampiahiahy taty amin’ny ranomasimbe Indiana

Natao ny 14 hatramin’ny 19 desambra teo, ny hetsika an-dranomasina, niarahan’ny Foibem-paritra mandrindra ny asa aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana (CRCO) any Seychelles, miara-miasa amin’ny Foibem-paritry ny fampifandrasaina ny antontam-baovao an-dranomasina aty Madagasikara ary ny iraka EUNAVFOR Atlanta. Nomena ny anarana hoe Levante ity hetsika an-dranomasina vaovao ity.

Notetezina ny fari-dranomasina miainga any Seychelles hatrany Kenya, ka miisa 19 ny sambo nampiahiahy, hitan’izy ireo nivezivezy voatery tsy maintsy nohamarinina. Isan’izany ny sambo aziatika iray mitondra ny anarana hoe Shin Shuen Far, taorian’ny vaovao azon’ny CRFIM. Voatery nandefa ny sambo espanola Santa Maria ny CRCO, ao anatin’ny iraka EUNAVFOR, nitily sy nitady ny toerana nisy an’ity sambo ity, nanamarina ny mombamomba azy. Nosavaina ny taratasin’ny sambo, ny entana entiny, fa tsy nisy nahiana, ka navela nanohy ny diany.

Sambo roa ara-dalàna

Etsy ankilany, nanakana sambo mpanjono miisa roa (FV Zanmi sy FV Great White), mampiahiahy ny mpiandry morontsiraka Seychellois PS Etoile, tany amin’ny Fari-dranomasina ara-toekarena (ZEE) any Seychelles. Hita fa ara-dalàna nefa ny taratasy fanjonoanan’izy ireo taorian’ny fisavana.

Tanjon’ny Foibem-paritry ny fiantohana fandriampahalemana an-dranomasina ny fampanaraha-dalàna noho ny famaizana. Mandrindra ny asa fitsirihana ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI), vatsian’ny Vondrona eoropeanina (UE) ara-bola.

Njaka A.

Partager sur: