Naneho fahavononana amin’ny fanohizana ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny OIT, taorian’ny fihaonana teny Ampefiloha, omaly.
Hovelarina amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa miaraka amin’ny mpitarika vaovao ny minisitera, Rasoloarisoa Marie Marcelline, sy ny Organisation intertnationale du travail (OIT), araka ny vokatry ny dinika niarahan’ny roa tonta, omaly, teny Ampefiloha. Misehatra amin’ny fampiofanana ny tanora sy ny fanohanana ny ivontoeram-panofanana ny andraikitry ny OIT ary hanosika ny minisitera hanatanteraka ny vina. Tanjona ny hanome fiofanana manara-dalàna sy ny fanomezana asa aorian’ny fanofanana samihafa atolotry ny minisitera sy ny mpiray ombon’antoka. « Hanatona bebe kokoa ny vahoaka ny minisitera hampahafantatra ny tolotra misy sy hijerena ny talenta miafina azo avadika ho asa », hoy ny minisitra tomponandraikitra.
Efa nanome fanofanana momba ny hazo, taotrano, fandraisam-bahiny ny minisitera amin’ny alalan’ny ivontoeram-panofanana maro manerana ny Nosy fa hivelatra amin’ny sehatrasa vaovao takin’ny zava-misy amin’ny hoavy koa. Hotrandrahina ny filan’ny orinasa amin’ny fanofanana mpiasa mahafehy izany.
« Zava-dehibe ho an’ny OIT ny fototra iorenan’ny fanjakana, izay mampiroborobo ny maha olona. Rehefa miresaka olona dia tafiditra hatrany ny fanofanana arakasa », hoy ny solontenan’ny OIT eto amintsika, Frederick Muia. Manohana tanteraka ny fanofanana ny OIT ary mandray anjara miaraka amin’ny delegasiona malagasy nandritra ny fivoriana momba ny fianarana asa manana kalitao, tany Turin, ny volana febroary lasa teo. Handray tanora telo ny OIT hiasa eo anivon’ny sampandraharahan’izy ireo, hijereny ny tontolon’ny asa, hoy ny fanamarihany.
Ankoatra ny fampiofanana, manohana ny fanavaozana ny ivontoeram-panofanana koa ny OIT izay efa mpiara-miasa amin’ny minisitera hatramin’ izay.
Vonjy