Manerana ny Nosy : ho maina ny andro

Tsy hisy tranga miavaka mety hanova ny firafitry ny toetry ny andro eto Madagasikara, amin’ity herinandro ity, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Tsy ho marin-toerana ny habaka manomboka ny faran’ny herinandro noho ny fandalovana rindrin-drahona manakaiky ny morontsiraka atsimon’ny Nosy. Hale­faka kosa ny tsiokan’ny varatraza alohan’izay fotoana izay.
Ho maina amin’ny ankapobeny ny andro saika manerana ny Nosy, izay ialohavana zavona vao maraina any amin’ny afovoantany, ny atitany atsinanana ary ny ilany avaratra andrefan’ ny Nosy. Mety hisy orana tandrifin-drahona mitsitokotoko any amin’ny ilany afovoany andrefana, nanomboka ny alahady teo. Hisy fidinana ny maripana ambony any amin’ny ilany atsimo atsinanana sy afovoantany, any amin’ny faran’ny fe-potoana. Manodidina ny 5 – 23°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 24- 38°C ny tolakandro.
Miovaova be ny maripana mandritra ny tontolo andro ka tokony hanaraka ny fiovana ny akanjo hanaovana, mba hitandroana ny fahasalamana.

Vonjy

Partager sur: