VIH/Sida : mampitony ny saina ny fitiliana atao

Manohy ny fanentanana ny fandaharanasam-pirenena miady amin’ny IST/Sida (Pnlis). Ny fanaovana fitiliana ihany no antoka iray hamantarana fa tsy mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida ny olona iray. Zava-dehibe, araka izany, ny fanaovana fitiliana hahafantarana ny tokony hatao. Mampitony ny saina ny fahafantarana fa miiba ny fitiliana natao. Haha­fahana manamafy ny fiarovan-tena isorohana ny mety hahazoana ny tsimokaretina VIH/ Sida.
Raha sanatria kosa ka miabo ny valin’ny fitiliana dia ahafahana mandray an-tanana haingana ilay olona amin’ny din­gana rehetra tokony hataony. Ny fihinanana fanafody sy ny tohana ara-tsaina, indrindra ny fiarovan-tena, no tokony hatao mba tsy hamindra na hanaparitaka izany amin’ny manodi­dina.
Maimaimpoana ny fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida ary efa maro ireo toerana ahafahana manao izany. Ireo reny mitondra vohoka mila manao fitiliana ihany koa mba hamantarana ny fandraisana an-tanana tokony hatao raha sanatria ka mitondra ny tsimokaretina.
An-tsitrapo tanteraka nefa no hanaovana fitiliana fa tsy azo atao an-tery. Izany indrindra no hamohazana sy hanaovan’ny Pnlis fanentanana amin’ ny sokajin’olona rehetra mba hanana ny fandavan-tena hanao fitiliana fa tsy ho varimbariana satria tsy hisy olona hanery hanao izany mihitsy.
Tsiambaratelo tanteraka ny vokatry ny fitiliana ary efa za-draharaha ireo ekipan’ny Pnlis amin’ny torohevitra.

Tatiana A

Partager sur: