INDRAY MIJERY

Taorian’ny fahamaizan’ny tranon’ny fianakaviana 13 teny Ankasina, ny zoma lasa teo, natsangana ny tranoheva ipetrahin’ireo traboina. Niarahan’ny BNGRC sy ny kaomina Antananarivo Renivohitra ary ny Croix Rouge Malagasy izany. Niditra tamin’ny fanolorana fanampiana ny fitondram-panjakana. Samy nahazo vary, menaka,voamaina ary kojakojan-dakozia sy fitaovam-pianarana izy ireo.

Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fizarana Vacation bakalorea 2024, ho an’ny Oniversi-ten’i Mahajanga. Vacation ho an’ireo nandray anjara tamin’ny fampandehanana antsakany sy andavany ny fanadinam-panjakana izany. Mbola mitohy ny fizarana amin’ity herinandro ity ho an’ireo izay tsy nahatratra ny fizarana voalohany.

Hotanterahina ny 16 ka hatramin’ny 18 desambra izao ny hetsika karakarain’ny IPM momba ny areti-mifindra eo amin’ny biby sy ny olombelona. Hihaonan’ ireo manam-pahaizana manokana momba ny fahasalamana, mpikaroka, dokotera sy mpitsabo biby ary ireo rehetra miasa amin’ny sehatry ny fahasalaman’ny olombelona sy ny biby ny hetsika.

Mitaraina ireo tale mitantana ny sekolim-panjakana amin’ny fanazavana ny sain’ny ray aman-drenin’ny mpianatra momba ny vola aloa ho an’ny mpampianatra Fram. Eo ihany no tena voizina sy noraisin’ny ray aman-dreny. Maro, araka izany, ireo ray aman-dreny manenjika ny tomponandraikitry ny sekoly ho mpanararaotra sy mitaky vola tsy ara-drariny…

Partager sur: