Seranan’Ivato : fampirantiana an-tsary ny Renivohitra

Ny omaly sy ny ankehitriny! Misy fampirantiana sary miavaka miisa 20 eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisampirenena Ivato, nanomboka omaly hatramin’ny 20 novambra. Nomena ny lohahevitra « Oroka mamy ho an’Antananarivo » na « Bon baiser de Tana » ny hetsika. Miaraka mikarakara azy ny Fondation banky BOA, ny Ravinala Airports ary ny Cité des Fleurs, izay fampirantiana voalohany nataon’ny Fiombonan’ny mpaka sary matihanina eto Madagasikara (UPPM). Avy amin’ny sary fahatsiarovana « carte postale » taloha sy ankehitriny, an’ilay frantsay Patrick Bodineau, nohalebiazin’ny mpaka sary miisa 15 ao amin’ny UPPM.
Nanokatra azy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, nilazany fa mandalo eto an-dRenivohitra ny 80% ny mpizahatany, koa, rariny raha mahita ny harena ara-kolontsaina toy izao izy ireny.
Nambaran’ny lehiben’ny serasera sy ny fifandraisana ao amin’ny Ravinala Airports, Rahantamalala Sandrine, fa varavarana voalohany an’i Madagasikara ny seranana iraisam-pirenena Antananarivo. Mandray ny mpandeha avy any amin’ny vazantany efatra.

Njaka A.

Partager sur: