Amoron’i Onilahy ; mampitombo ny velontena ny fiompiana trondro

Mizaka ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ny mponina ao amin’ny faritra Amo­ron’i Onilahy, any atsimo andrefan’ny Nosy. Mivelona amin’ny fambolena ny ankamaroan’izy ireo saingy ambany ny fidiram-bolany. Antony mahatonga ny mponina mitady vahaolana maharitra am­piasana ny loharano any an-toerana. Nampiofanina mo­mba ny fiompiana trondro an-dobo sy fiompiana trondro an-tanimbary ireo mponina sasantsasany hanatsarana ny fari-piainana sy hampihenana ny tsindry atao amin’ny ala. Tohana azo tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny WWF Madagascar. “Na izany aza, betsaka ny fanamby apetraka hitantanana ny rano sy ny fotodrafitrasa mifandraika amin’izany”, hoy Tovondrainy, mpiompy trondro avy ao Ambiky.
Tontolo iainana
Tafiditra ho anisan’ireo faritra arovana eto Mada­gasikara ny ao Amoron’i Onilahy. Mivelatra amina kaominina 11 sy mampivondrona ny mponina ao anatin’ny «Onilahy Henany Mitambatsy Handroso» (OPCI) ny faritra. Tao anatin’ny 10 taona, nitantana faritra arovana miantoka ny zavamananaina (KBA) sy eken’ny « convention de Ram­sar », izay tsy lavitra ny reniranon’i Onilahy ny mponina. Ny taona 2019-2022, voasokajy ho anisan’ny faritra nahitana fandripahana ala ambany indrindra ny any an-toerana, araka ny tatitra navoakan’ny WWF Madagascar. Miantoka ny rohivoary sy fiveloman’ireo karazam-biby atahorana ho lany tamingana toy ny varika ny ao Amoron’i Onilahy. Mam­piroborobo ny toekaren’ny mponina any an-toerana ny tetikasa fiompiana trondro.

Henintsoa Hani

Partager sur: