Fiofanana homena ny infirmiera: hohavaozina ny fandaharam-panofanana

Hampivoatra ny tontolon’ny asan’ny infirmiera malagasy ny nahatafiditra antsika ao anatin’ny fikambanana aty Afrika ka hisitrahantsika ny fanohanana. Anisan’izany ny fanatsarana ny tolotra fampiofanana ka hampiakatra ny lentan’ny diplaoma malagasy.

«Taorian’ny fivorian’ny infirmiera eo anivon’ny firenena 18 atyAfrika (ECSACONM) tany Lesotho, ny 11 ka hatramin’ny 13 septambra lasa teo, nandraisan’ny Holafitry ny infirmiera malagasy anjara, tapaka fa hohavaozina ny fandaharam-piofanana homena ny infirmiera eto Madagasikara», hoy ny filohan’ny holafitra, Andrianarison Botosera Jean Aimé, omaly, teny Anosy. Tara i Madagasikara raha mitaha amin’ny firenena hafa aty Afrika ka tsy homen’ny vahiny mpampiasa lanja ny diplaoma malagasy. Tsy tokony hitambatra amin’ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo koa ny fampiofanana ho paramédicaux fa mila mahaleo tena manomboka izao, toy ny zava-misy any ivelany, araka ny nambarany ihany. Satria efa tafiditra ho mpikambana feno amin’ny ECSACONM sy ny Conseil international des infirmiers ny holafitry ny infirmiera eto Madagasikara, ireo rafitra iraisam-pirenena ireo no handinika ny fanavaozana hotanterahina. Efa nanaiky ny fanavaozana rahateo ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka rehefa nitafa tamin’ny minisitra mpiahy ny filohan’ ny holafitra.
Ho avy eto amintsika rahateo ny tomponandraikitry ny Conseil international des infirmiers (CII) hijery ny zava-misy iainan’ny infirmiera malagasy sy hamaritra ny fanohanana, indrindra amin’ny fandaharam-panofanana. Hamatsy vola ny fandaharanasa koa izy ireo hanatsarana ny tontolon’ny asan’ny infirmiera.
Rehefa mipetraka ny fiaraha-miasa amin’ny rafitra iraisam-pirenena, hanan-danja ny diplaoma malagasy, toy ny tany aloha. Tafajoro nandritra ny fivoriana tany Lesotho koa ny Africain Nurses And Mid­wives Confederation” (ANMC) ary mpikambana ao i Mada­gasikara.

Vonjy

Partager sur: