Ady amin’ny pesta : mila mailo rehefa misy fambara mampiahiahy

Ao anatin’ny vanimpotoana mampirongatra ny aretina pesta isika hatramin’ny volana avrily amin’ny herintaona. Mila ampitomboina ny fahamailoana sy ny fisorohana. Aretim-boalavo mifindra amin’ny olombelona ny pesta, avy amin’ny bakteria antsoina hoe yersinia Pestis.
Ilay parasy no maka ilay otrikaretina any amin’ny voalavo ka manaikitra ny olona ary lasa mifindra amin’ny olombelona ilay bakteria.
Any amin’ny toerana mitokana, miara-miaina amin’ny biby matetika no tratran’ny aretina pesta. Raha voakaikitry ny parasy mitondra pesta ny olona dia mitondra ny pesta atoditarimo ary miitatra ho pesta aretin-tratra izany, raha tsy voatsabo haingana. Mitarika haingana amin’ny fahafatesana rehefa tonga amin’io pesta aretin-tratra io. Anaovana fitiliana ny olona ahina ho mararin’ny pesta na matin’ny pesta hanaporofoana ny fototr’aretina sy hahafahana miaro ny olona nifanerasera sy ny manodidina azy.
Misy atoditarimo ao ambany helika na amin’ny foto-pe. Mafana hoditra ary reraka haingana be ilay marary. Mila entina haingana any amin’ny tobim-pahasalamana horaisina an-tanana. Maimaimpoana ny fitsaboana.
Raha tonga ara-potoana any amin’ny tobim-pahasalamana ny marary dia azo tsaboina haingana ny pesta. Tsy tokony ho tara mihitsy raha vao misy fambara mampiahiahy.
Ady amin’ny parasy sy voalavo no fisorohana tsara indrindra.

Tatiana A

Partager sur: