INDRAY MIJERY

Mampiasa ny fitaovana misy eo am-pelatanana ny CUA amin’ny fanadiovana sy ny fitaterana ireo fako. Anisan’izany ireo “camions multibennes” avy amin’ny governemanta japoney. Enim-bolana taorian’ny nampiasana azy voalohany dia efa nahavita halavirana 40 000Km. Hita taratra amin’izany ny halehiben’ny asa izay sahanina noho ny habetsaky ny fako eto an-dRenivohitra.
Taorian’ny haintrano nitranga teny Ambohiba­rike­ly Anosibe, izay namoizana ain’olona, dia tonga teny an-toerana ny PDS, Ramanantsoa Harilala, nampahery ireo traboina. Nanentana ny mponina ihany koa mba ho mailo sy hitandrina hatrany amin’ny resaka afo, indrindra amin’izao vanim-potoana mampirongatra ny haintrano izao.
Hanatrika fivoriana maromaro ato ho ato ny mpitarika ny Holafitry ny infirmiera malagasy ho fanatsarana ny fiainan’ny infirmiera amin’ny ankapobeny. Ny fivoriana any Kenya sy Ouganda ny manaraka. Hiaraka amin’ny mpamatsy vola ny fihaonana any Etazonia hampivoarana ny fiofanana sy ny asan’ny infirmiera aty Afrika sy maneran-tany.
Nanatanteraka atrikasa famolavolana drafitrasa fampandrosoana iombonana ho an’ny vondrom-piarahamonina ny Pam sy ny ONG Ny tanintsika ary ny ekipan’ny BNGRC. Niarahana tamin’ny Service technique deconcentré tany amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany izany, ny herinandro teo. Kaominina enina voafantina manokana ao amin’ireo faritra ireo no hanaovana fanadiadiana miendrika atrikasa, nampivondronana ireo sokajin’olona maro.

Partager sur: