Filaharan’ny Fifa : nivarina any amin’ny faha-108 i Madagasikara

Nihemotra ny laharan’ny Barea de Madagascar ao amin’ny Fifa, taorian’ilay fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Can 2025” iny. Nanary laharana telo ny ekipa nasionaly.

Taorian’ny lalao roa izay tafiditra amin’ny ady tapakila hiatrehana ny “Can Marôc 2025”, izay natao tany Tunisie, tapa-bolana lasa teo izay, nivarina ho faha-108 indray ny laharan’i Madagasi­kara, araka ny filaharana navoakan’ny Fifa, omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’izy ireo. Tsiahivina, ny taona 2023 i Madagasikara no nahazo io laharana faha-108 io. Very laharana telo ny ekipa nasionaly Barea de Mada­gascar. Teo amin’ny faha-105 izy teo aloha.
Anisan’ireo nampihemotra ity laharana ity ny vokatra azon’ny Barea nandritra ny fifanintsanana handraisana anjara amin’ny “Can 2025”. Tsara ny mampahatsiahy fa lavon’i Tunisie, 1 no ho 0, i Madagasikara teo amin’ny andro voalohany ary nanao sahala 1 no ho 1, tamin’i Comores, nandritra ny andro faharoa.

Hifanandrina amin’i Gambia
Ankoatra izay, ny volana oktobra ho avy izao, hiatrika ny fifanintsanana Can indray ny Barea de Madagascar. Ny ekipam-pirenen’i Gambia, hifandona amin’izy ireo amin’ izany, ary hatao any Marôc avokoa ny fihaonana mandroso sy miverina, raha tsy misy ny fiovana. Tsy mbola voafaritra kosa ny daty hanatanterahina ireo lalao roa ireo. Tsara marihina fa manana isa iray ny Malagasy, amin’ity fifaninanana afrikanina ity ary izy ireo no farany ao amin’ny vondrona “A”. Eo amin’ny ady amin’ny tapakila hanaovana ny “Mondial 2026”, laharana fa­ha­telo i Madagasikara, ma­na­na isa fito, raha toa ka mbola mitana ny lohany hatrany ny Nosy rahavavy Comores, izay niakatra ho faha-118.

Fitia Randria

 

Partager sur: