Fiatrehana ny rivodoza sy ny voka-dratsiny : manao fanazaran-tena ny BNGRC sy ny mpisehatra

Tanterahina omaly sy anio, ny fizarana sy fiomanana ataon’ny BNGRC sy ny mpisehatra rehetra hiatrehina ny fotoam-pahavaratra 2024-2025. Antananarivo sy Toamasina ny toerana nofidiana hanatontosana ny asa. Vao mifarana ny taom-pahavaratra dia miomana amin’ny taom-pahavaratra manaraka ny BNGRC sy ny ekipany.

“Ny rivodoza no voina mpiseho matetika sy isan-taona eto Ma­da­gasikara ka fiomanana amin’ny fiakaran’ny rano sy ny fihotsahan’ny tany ary fahatapahan’ny lalana no namafisina. Ilaina ny manana tahirin-tsakafo ampy ho an’ny traboina sy ireo nafindra toerana fa singa iray fotsiny izay, ny fiomanana manaraka ny cycle GRC no zava-dehibe”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, Elack Andriakaja Olivier. Misy dingana ny fiatrehana fa manomana sahady ny olona sy ny mpitantana rehetra eny ifotony ny BNGRC ka manan-danja ny fanaovana fanazaran-tena sy fanazarana ny saina, araka ny voalazany ihany.
Aorian’ny famoahan’ny Me­teo Madagasikara ny tomban’ny toetr’andro ny volana oktobra, mbola hanao fanazaran-tena faharoa indray ny ekipa rehetra. Nanohana ny fanomanana sy ny fampitaovana ny Vondrona Eoro­peanina sy ny fanjakana malagasy. 15 000 dolara ny sora-bola azo avy amin’ny mpiray ombon’antoka hanatanterahina izany. Tonga eto Mada­gasikara koa ny manam-pahaizana avy amin’ny oniversite any Etazonia, ireo tomponandraikitry ny fitantanana ny loza avy amin’ny Firenena mikambana, ny COI ary ireo firenena mifanakaiky amin’i Madagasikara maka traikefa.

Mampiasa angidimby sy fiara matanjaka
Mampiasa angidimby sy fitaovana vaovao avy amin’ny Pam toy ny fiara tsy mataho-dalana matanjaka mandeha anaty rano, mihanika vohitra sady mahazaka entana 8t 500 ny mpisehatra any Toamasina. Mizatra io fiara io ny Malagasy hamily azy. Mikirakira drones izay ahafahana mitady olona amoron-drano koa ny teknisianina. Ilaina ny fizarana ireo fihetsika samihafa ireo mialoha ny fahatongavan’ny loza, hampihenana ny vola lanin’ny fanjakana.

Vonjy

Partager sur: