Fehin-dalàna vaovao momba ny asa : nofanina ireo tale mpitantana mpiasa

Mitohy ny fampahafantarana ny fehin-dalàna vaovao momba ny asa hanamorana ny fampiharana azy eo anivon’ ny minisitera mpiahy sy ireo orinasa mpiara-miombona antoka amin’ny fanavaozana sy fanatsarana ny tontolon’ny asa manerana ny Nosy. Nizara fiofanana ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Association malgache des directeurs des ressources humaines d’entreprises tamin’ty herinandro ity, teny Ambodivona, ny minisitera. Manodidina ny 40 ireo tomponandraikitry ny fitantanana ny loharanon-karena arak’olona avy amin’ny orinasa no tonga nanatrika ny fiofanana.
Niompana tamin’ny fanazavana sy famoaboasana ny lalan-tsaina nandrafetana ny fehin-dalàna vaovao ny fiofanana, izay mbola hitohy, ahafahan’ny mpisehatra rehetra mampitovy toe-tsaina sy fomba fijery alohan’ny hampiharana ny fehin-dalàna atsy ho atsy.
Nanotrona ny fiofanana ny minisitry ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana, satria tomponandraiki-panjakana voalohany eo amin’ny tontolon’ny asa izy. Nomarihiny fa tsy tonga lafatra ity fehin-dalàna vaovao ity nefa mirakitra ireo hetaheta sy filana arakasa ankehitriny manoloana ny fivoaran’ny toetrandro sy toe-tsaina ireo andininy mandrafitra azy.
Notsindriany ihany koa fa anisan’ny tanjon’ny fanavaozana ny fehin-dalàna momba ny asa ny fametrahana marimaritra iraisana eo amin’ny toko telo mandrafitra ny tontolon’ny asa.

Vonjy

Partager sur: