INDRAY MIJERY

Nanamafy ny filohan’ny Repoblika nandritra ny filankevitry ny minisitra fa hisy fanaraha-maso akaiky ny fizarana ny Caisse école sy ny Caisse de soutien ary ny fizarana sakafo any an-dakilasy. Mba hipaka any aminny sekoly sy ny mpianatra ireo tohana avy amin’ny fanjakana ireo ho an’ny sekolim-panjakana manerana ny Nosy no atony.

Olona 270 eo ho eo no tonga nandray anjara tamin’ny Diaben’ny firaisankina nokarakarain’ny fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody, ny faran’ny herinandro teo. Mpikambana, fianakaviana, fikambanana hafa mpiara-miombon’antoka, solontenam-panjakana, olon-tsotra no niara-dia manodidina ny farihin’Anosy.

Niantso ny hanorenana fiarahamonina mampiaty ny mararin’ny Alzheimer mba tsy ho voahilika izy ireo fa hanana zo hiaina malalaka toy ny rehetra. Natao ihany koa ny hetsika hampahanfantarana ny aretina Alzheimer amin’ny mpiara-belona satria ny tsy fahalalana no anisan’ny mahatonga ny fanilihana.

Nanao fitsirihana ny Dépôts de médicaments sy ny fitantanana ny fanafody eny anivon’ny CSB ny tomponandraikitry ny fahasalamana ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, distrikan’i Vangaindrano, kaominina Anilobe. Nanentana ny hatoriana anaty lay misy odimoka hiarovana amin’ny tazomoka izy ireo ary nampahafantatra ny sazy hampiharina amin’ny olona izay tratra mampiasa ny lay amin’ny zavatra hafa.

Partager sur: