Efa avy nanafika… : mandrahona ny mbola hiverina ireo jiolahy

Trangana fanafihan-jiolahy roa no indray niseho tao Toamasina, ny 16 septambra teo. Ny iray naharobana vola 16 tapitrisa Ar, raha omaly indray ny faharoa tao Tanamako parisela 12/14, nahaverezana vola 5 hetsy Ar.

Teny an-dalana hamonjy fodiana rehefa avy nivarotra ilay raim-pianakaviana no nifanehatra tamin’
ireo olon-dratsy. Nitatitra entana teo an-tokotany izy ireo ka nohararaotin’ireo jiolahy notafihina. Nalain’izy ireo tamin’izany ny baoritra kely misy ny vola maty tao amin’ilay toeram-pivarotana. Nisy nahatsikaritra izany ka nivoaka ny raim-pianakaviana iray mifanila trano amin’izy ireo, kanjo niantefan’ny balan’ireo olon-dratsy tampoka. Naratra mafy ilay raim-pianakaviana voa­tifitra ka nentina haingana namonjy ny hopitaly CHU Morafeno. Na teo aza anefa izany, tsy nisy kosa ny aina nafoy.
Taorian’ity fanafihana ity, mbola niverina nandrahona indray ireo olon-dratsy ka nilaza tamin’ireo voatafika fa hoe kely loatra ny vola azon’izy ireo. Noho izany, nilaza hiverina izy ireo. Voalaza fa efa fanindroany ity fivarotana ity no norobain’ireo olon-dratsy. Ny taona 2020 no efa niharan’ny fanafihana ka nisy olona naratra tamin’izany. Miaina ao anatin’ny horohoro sy ny tahotra tanteraka, araka izany, ny mponina ao Toamasina amin’ny hafitsoky ny olon-dratsy.

Sajo

Partager sur: