Sora-piankohonana : miofana ny mpiandraikitra

Tao Tsiroanomandidy, renivohitry ny faritra Bongolava, no nanokafana ny fampiofanana ho an’ny sampandraharahan’ny fiankohonana, ahitana ny mpiandraikitra ny sora-piankohonana sy ny mpitantsoratra. Nanomboka ny 17 septambra 2024 teo izany ary hifarana ny 17 oktobra 2024. Faritra dimy, Analamanga, Bongolava, Itasy, Sofia ary Vakinankaratra no hisitraka izany fiofanana izany, eny anivon’ireo renivohitry ny faritra no hanaovana izany. Hanamafisana ny fahaiza-manao efa ananan’ireo tomponandraikitra, ahafahana manatsara ny fihodinan’ny sampandraharahan’ny fiankohonana sy ny tolo-draharaha manara-penitra sy kalitao mankany amin’ny vahoaka ifotony ny tanjon’izao fampiofanana izao.
Ny Organisation internationale de la Francophonie (OIF), ny masoivohon’ny Frantsa ary ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajarina ny tany (MFFT) amin’ny alalan’ny INDDL no miara-misalahy amin’ny fanatontosana izao fiofanana izao. Mpiandraikitra sora-piankohonana 310 no vinavinaina hisitraka izany. Ny fahatsapana fa mbola maro ny olona tsy misitraka ny sora-piankohonana, izay zo fototra maha olombelona sy maha olom-pirenena no antony nanaovana ny hetsika.

Lin

Partager sur: