Lany teny amin’ny Antenimierandoholona nandritra ny fivoriambe, omaly, ny volavolan-dalàna mifehy ny orinasa kaoperativa. Hojerena manaraka ny famoahana ny didy fampiharana, hahafahana misitraka ireo tombontsoa samihafa. Ainga vao sy hitondra fampandrosoana eny ifotony ity lalàna ity. “Raha miresaka kaoperativa dia miresaka fihariana isika, miresaka ihany koa fiveloman’ny mponina eny ifotony”, […]
Auteur/autrice : Adnews
Tontolo iainana: Ilaina ny tamberin’andraikitry ny orinasa amin’ny fiarahamonina
Manan-danja eo amin’ny famokaran’ny orinasa iray sy ny toekarena ny fiarovana ny tontolo iainana. Adidy miandry azy ireo ny fikolokoloana ny zava-mananaina sy ny rohivoahary. Manana adidy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny mpiara-belona ny sehatra tsy miankina. Mba hahafahany manitatra sy mampaharitra ny andraikitra sahaniny izany. Antony nahatonga […]
INDRAY MIJERY
28 ny isan’ny hopitaly efa vitan’ny fitondrana hatramin’izao, raha 100 ny CSB tafatsangana. CSB 205 eto Analamanga no nahazo fampitaovana 100% hampihodinana ny asa manakaiky vahoaka, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, teny Itaosy. Manerana ny Nosy, 2 200 ny CSB nahazo fitaovana amin’ny ampahany. Efa voazara avokoa ny taratasy […]
Vonjy voina ivelan’ny hopitaly: hisokatra ny toerana fikirakirana ny antso an-tariby
Nampahafantatra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa hisokatra tsy ho ela ny ivontoerana fikirakirana ny antso an-tariby (CRRA) hanampy amin’ny vonjy voina mahazo ny olona tampoka ivelan’ny hopitaly. Efa miofana ireo mpiasan’ny fahasalamana hiandraikitra izany mba ho tena fahombiazana sy hisy fiantraikany amin’ny fanavotana ain’olona ny fisian’izy ireo. Nanazava ny profesora Rakotoarison Nicole, talen’ny Dcamum fa maro ny […]
Seces Antananarivo : nitondra vahaolana ny « cellule de crise »
Manoloana ny toe-draharaha manahirana lalovan’ny firenena ankehitriny, mijoro ny Seces sampana Antananarivo, amin’ny alalan’ny « cellule de crise ». Mitondra soso-kevitra ho fanarenana ny firenena, araka ny fanambarana nataony, omaly. Anisan’ny niantefan’izany ny fanabeazana, fampianarana, fampiofanana, fikarohana. Olana ny tsy fametrahana rafi-pampianarana sy rafi-panabeazana mazava sy mahomby avy amin’ny fitondrana […]




