Auteur/autrice : Adnews

Zava-mahadomelina : miasa ny toeram-pitsaboana ny fiankinan-doha

Efa am-perinasa ny ivontoerana handraisana ny mpidoroka zava-mahadomelina, eny Itaosy. Nitokana ny foto-drafitrasa ny filohan’ny Repoblika mivady. Notokanana, omaly, teny amin’ny kaominina Ambavahaditokana Itaosy, distrikan’Atsimon­dra­no ny ivontoerana fandraisana an-tanana ireo olona te hiala amin’ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina (sigara, paraky, rongony ma­hery vaika (rôrô). Ha­nampy manokana ny ady amin’ny fandraisana zava-mahadomelina sy […]

Ho fifalian’ny mpankafy…: hiaraka an-tsehatra indray i Poopy sy i Njila

Tsaroanareo ve ilay fampisehoana Njila sy i Poopy tao amin’ny Palais des sports, ny taona 2017? “Firaisankina” ny anaran’ny seho tamin’izay, nentina nanamarihan’i Njila ny faha-40 taona niakarany an-tsehatra. Amin’izao fotoana izao kosa, tonga amin’ny fankalazany ny faha-40 taona niakarany an-tsehatra ihany koa i Poopy… Efa nisy ny seho goavana […]

Fitsidihana ny Rova: nandraisana fepetra ireo mpitari-dia tsy ara-dalàna

Izay efa nitsidika dia nahatsikaritra. Ifandrombahan’ireo milaza fa mpitari-dia izy ireo. Manakorontana ny mpitsidika ny Rova ka tsy eken’ny minisitera mpiahy izany. 9 andro izay no nisokatra indray ho an’ny besinimaro ny eny Anatirova. Efa maherin’ny 10 000 sahady ireo mpitsidika, ny tamin’ny alarobia teo no maro indrindra, satria nahatratra […]

TARATRY ny KANTO

Le Pavée – Rija sy Lalie «Raha tsy ho ahy»… fampiaraham-peon’i Rija Ramanantoanina sy i Lalie io. Tsy afaka am-bavan’ny mpankafy hatramin’izao. Efa ela no tsy nisy ny fampiaraham-peon’ireto mpanakanto ireto, saingy hotanteraka kosa ny fanirian’ny rehetra anio, amin’ny 8 ora alina, eny amin’ny Le Pavée Antaninarenina. IFM Analakely –JS […]

« Fehezan-tseho hafa mihitsy »: tarika 19 hifandimby eny an-tsehatra

Mifanaraka amin’ny lohateniny ! Sambany teo amin’ny tantaran’ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly no hisy tarika sy mpanakanto mahatratra 19 be izao hifandimby eny an-tsehatra. «Fehezan-tseho hafa mihitsy», rindran-kira hotanterahina ny 23 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny CCEsca Antanimena. Ao ireo tarika sy mpanakanto […]