Auteur/autrice : Adnews

Niverina ny Corsair : mitombo isa ny zotra ana habakabaka

Nigadona omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Airbus 330neo, an’ny kaompania Corsair. Niverina izany telo taona aty aorian’ny nampiantoana azy. Nigadona, omaly 28 jona tamin’ny 1 ora sy sasany, teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ny fiaramani­dina Airbus 330neo an’ny kaompania Corsair, niainga avy any Paris. Nilaza ny filoha tale jeneraly […]

TSELATRA

Avotra soa aman-tsara ireo olona valo, hita tao anaty lakana maty, tao Ampolahambe, Ma­soala, omaly. Voarara tsy handriaka noho ny andro ratsy,  niainga tao Maromandia-Ste Marie, izy ireo, ny 25 jona tolakandro. Vehivavy ny iray tamin’ireo valo ary nikasa hihazo an’Antsiraka Antanifotsy  ity sambo ity. Maty anefa ny motera. Tavela […]

Voahitsaky ny lamasinina: sady potika no tapaka ny tongotr’ilay lehilahy

Potipotika ny taolany! Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray voahitsaky ny fiarandalamby, tao Lohariandava Brickaville, tamin’ny alatsinainy maraina. Raha ny fahitana ny razana, tapaka ny tanany, ny niala ny tongony rehefa notetezin’ny kodiaram-bin’ny lamasinina. Nahazo loharanom-baovao ny lehiben’ny fokontany Loha­riandava momba ny fisian’ity lehilahy hita faty ity. Niantso ireo zandary […]

Tsy afaka CEPE : zazalahy 12 taona, namono tena

Maty nihantona tamin’ny lamba tao an-tranony ny zazalahy vao 12 taona, ny sabotsy teo. Voalaza ho antony, ny tsy fahafahany ny fanadinana CEPE. Maty, namono tena ny zazalahikely vao 12 tao ny sabotsy lasa teo tany Ambatomanjaka, kao­minina Ambatomainty, distrikan’i Morafenobe. Niara-niandry ny voka-panadinana nia­raka tamin’ny kambana taminy izy tamin’io […]