Auteur/autrice : Adnews

Nosimbain’ny vahiny : Diso fahavalo ny vehivavy malagasy

Tsy nety sy tsy nifanaraka tamin’ny foto-pisainana vahiny ny fametrahana ny vehivavy ho loharanon’ny taranaka (miteraka, mitaiza, manabe). Nezahin’izy ireo nopotehina izany. Ho an’ny Malagasy, tsy mety ny «vehivavy fotsy varavarana». Ho an’ny vahiny, mila mivoaka ny trano miasa ny vehivavy hanampy ny lehilahy. Nampidirin’izy ireo ihany koa ny karazana […]

Volley-ball – CCCOI 2026 : Resin’ny Port-Louis Maurice ny Mama VBC

Nitohy omaly, tatsy Sey­chelles, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny klioba tompondaka na ny CCCOI, taranja volley-ball. Teo amin’ny sokajy lehilahy, lavon’ny Port-Louis avy atsy Maurice, tamin’ny seta 3 no ho 1, ny Mama volley-ball club Madagasikara. Ny seta voalohany ihany no lasan’ny ekipa malagasy, izay norombahiny […]

Sata mifehy ny OMDA: Tanjona ny tsy hiankina amin’ny minisitera intsony

Hatreto, fitantanan-draharaha eo anivon’ny minisitera misahana ny Kolontsaina ny Ofisy malagasy misahana ny zon’ny mpamorona na Omda. Tafiditra ao anatin’ilay volavolan-dalàna hitondrana fanitsiana momba ny rafitra mifehy ny hisintahany. Efa an-taonany maro no nangataka izany ireo mpanakanto mpamorona. Efa nisy ny tolo-dalàna ho fanitsiana ny lalàna 94-036 tamin’ny 18 septambra […]

VAOVAO TAMBATRA

Ho tapaka ny fifamoivoizana any Andalama­hitsy RN4, eo Ramala (PK179) sy ny PK 185, ny 6 sy 7 marsa ho avy izao. Manomboka amin’ny 7 ora maraina izany hatramin’ny 4 ora hariva. Antony, hisy asa fandrarahana godirao amin’ireo ampahan-dalana ireo. Tsy misy ny fivilian-dalana (déviation). Voarara tanteraka ny fandehanan’ny fiara […]

Positive Brand : Ilaina ny paikady hampiroboroboana ny serasera

Manan-danja lehibe sady mila atao isan’andro ny lafiny serasera entina hampahalalana ny mpanjifa, toy ny orinasa, ny rafi-panjakana na tsy miankina, ny fikambanana iray. Izay no nahatonga ny fiaraha-miasan’ny orinasa malagasy Becom sy ny orinasa avy atsy La Réunion, Stratégie & Terri­toire Océan Indien, nandrafitra ny Positive Brand Madaga­sikara. Fomba […]