Mazava ny zotra ho an’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina na ny Irmar. Vonona ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireo. Ho mpandray anjara feno ny Irmar. Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Irmar. Nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, misolo tena ny mpanohitra, […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Olona miisa dimy naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana. Voarohirohy tamin’ny fakana an-keriny zaza dimy taona, tany amin’ny fokontany Ambalatenina, kaominina Ambatofotsy, distrikan’Ikongo, ny alin’ny 12 janoary 2026 lasa teo izy ireo. Voasambotra ny 09 febroary 2026 teo, tao amin’ny kaominina Beraketa, faritra Androy, izy ireo, […]
Ambohimanarina : Mpamongady rongony miisa 4 naiditra am-ponja
13 mianadahy, mpikambana anaty tambajotra mpivarotra rongony eny Ambohimanarina, boriborintany fahenina, nosamborin’ny zandary ka naiditra am-ponja eny Antanimora, omaly. Naharay loharanom-baovao momba ny fisiana toerana fitobiana sady famarotana zava-mahadomelina ao amin’ny fokontany Ambohimanarina ny zandarimariam-pirenena. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy teny an-toerana izy ireo taorian’ny fahazoana alalana avy amin’ny fitsarana […]
Traboina Toamasina : Tolo-tanana amin’ny alalan’ny mozika
Fenehoana fizarana sy fifanampiana. Miray hina amin’ireo niharam-boina vokatry ny rivodoza Gezani ny Airtel Money. Endrika miavaka ny hanehoany an’izany, amin’ny alalan’ny kanto sy ny mozika. Lohahevitra noraisina ny hoe « Tolo-tanana ho an’i Toamasina », ho firaisam-po miaraka amin’ireo fianakaviana traboina, hanarenana ny trano fonenana ravan’ny rivodoza. Manoloana izany, hisy ny […]
Variana nanasa tongotra : Lanin’ny voay i Daulphin, zazalahy vao valo taona!
Hita omaly atoandro ny tapany ambanin’ilay zazalahy, antsoina hoe Daulphin, nohanin’ny voay teo am-panasana tongotra, tany Berevo. Natelin’ilay biby ny tapany amboniny ka tsy hita niaraka tamin’izany ny tanany sy ny lohany. Mbola mikaroka ilay voay ny fokonolona. Ontsa avokoa izay nahita ilay horonantsary, nirakitra ny famonoana sy niteleman’ny voay […]




