Nangasihasy ireo mpianatra niharam-boina tetsy Antsahameva-Ankatso satria tsy nisy noraisina intsony ireo fitaovam-pianarana sy ny entana tao an-trano vokatry ny hain-trano nitranga ny sabotsy teo. Hotohoton’ny afo ny trano nofain’ireo mpianatra. Tsy nijery fotsiny fa tonga teny an-toerana avy hatrany ny iraky ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana […]
Auteur/autrice : Adnews
Fampianarana teknika : nampitaovanina ny CFP Ejeda
Notanterahina tany Ampanihy, ny faran’ny herinandro teo, ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny fampitaovana ny foibem-piofanana arak’ asa any Ejeda. Natokana ho an’ireo mpiofana, miisa 67 ny fitaovana tsotra sy ny fitaovana teknika. Hanatsara ny kalitaon’ny fiofanana ny fampitaovana. Ahafahan’ny mpiofana manao fampiharana, izay miantoka ny fahombiazan’izy ireo amin’ny fampianarana. […]
Ambodibonara : faritra mena amin’ny aretina bilariziozy
Nitondra fanazavana ny rasazy Anita, ao amin’ny kaominina Ambodibonara, distrikan’i Mahanoro fa anisan’ny faritra mena amin’ny aretina bilariziozy ny any an-toerana. Manodidina ny 20 isam-bolana ny olona voaporofo. Marary ny efatra amin’ny olona 30 tonga manao fizaham-pahasalamana isan’andro. Tsy tongan’ny rano fisotro madio ny ankamaroan’ny tanàna any Ambodibonara. Mampirongatra ny […]
Tetikasa Jofa Acte: hahena ny tahan’ny ankizy mitrandraka eladrano
Zaza aman’alina no miasa amin’ny fitrandrahana Mica na eladrano. Nisy, araka izany, ny tetikasa Acte, hanampiana sy hampihenana izay antontan’isa izay. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy amin’ny Motel Anosy, ny tetikasa Acte (Agir Contre le travail des Enfants). Iandraiketan’ny Terre des hommes Madagascar sy ny save the children, izay […]
Morontsiraka andrefana : ahitana ala honko midadasika indrindra
Faharoa i Madagasikara aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ahitana ala honko (mangroves) midadasika indrindra, izay mahatratra 277.567 ha. « Ilàna paikady maharitra ny fiarovana azy, indrindra any amin’ny faritra Menabe sy Diana », araka ny tatitry ny WWF. Miha rava anefa ny ala honko any amin’ny morontsiraka andrefana. Karazan-kazo sady afaka mitroka rivotra […]




