Auteur/autrice : Adnews

Maroantsetra sy Mananara : hovahana ny olan’ny rano fisotro

Manana rano betsaka saingy tsy voafehy ny distrikan’i Maroantsetra sy Mananara Avaratra. Taorian’ny fitarainan’ny mponina tamin’ny fi­loha Rajoelina, herinandro lasa izay, nidina tany an-toerana ny minisitry ny Rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Ramilison Harifidy, ny 11 […]

Tontolo iainana: nampifandraisina ny siantifika sy ny mpampita vaovao

Manana ny anjara toerany mampita ny loharanom-baovao mankany amin’ny sehatra iantefany, ny fanaovan-gazety. Anisan’izany ny lafiny siantifika, nahatonga ny mpanao gazety niaraka nanao atrikasa tamin’ireo mpahay siansa amin’ny lafiny tontolo iainana, tamin’ny alalan’ny tetikasa Varuna, ny 6 hatramin’ny 8 jona teo, tany Ampefy. Sarotra ho an’ny besinimaro ny mahafantatra sy […]

Fifaninanana bagasy : lasan’ny Dimy sy Fito ny amboara

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny famaranana ilay fifaninanan-kira bagasy nokarakarain’ny Sehatra Bagasy nampitondraina ny lohateny « Tsara hira tsara mozika ». Fifaninanana andiany voalohany izy ity, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. « No­dy ventiny ny rano nantsakaina ka nahazoanay ny laharana voalohany izay mandrisika anay hiroso ha­trany », hoy kosa ny Dimy sy Fito […]

« Tontolo iray, kolontsaina iray » : hitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Nosy roa tonta

Tontosa soa aman-tsara ny tetikasa “Tontolo iray, kolontsaina iray”, niarahan’i Ma­dagasikara sy Nouvelle Calé­donie. Tetikasa nanatanterahana ny fifanakalozana ara-kolontsaina teo amin’ny roa tonta, nandritra ny 15 andro teto Madagasikara. Ny Ivon­toeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) no nisolo tena ny Malagasy tamin’izany, raha ny Centre Culturel Goa ma Bwarhat (CCGMB) kosa ny […]

Alliance Française : hetsika maro no hanamarihana ny “Fetin’ny Mozika”

Hiavaka noho ny tamin’ny andiany teo aloha. Hotanan’ny Alliance Française hatrany kosa ny lalantsain’ny “Fetin’ny Mozika”. Fizarana mozika maimaimpoana, fampiarahana mpanakanto kalaza sy vao misondrotra, sns. 21 jona, “Fetin’ny Mozi­ka”. Efa tafapetraka eto Madagasikara izy ity, ary nomarihina nandritra ny taona maro. Anisan’ny nikarakara tsy tapaka ny “Fetin’ny Mo­zika”, manakaiky […]